kolontsaina

Fivoizana foko sy firazanana Mbola mampahantra ny Malagasy hatrany


  • Alakamisy 01 Martsa 2018

Raha niditra nametraka ny fahefana kolonialy teto Madagasikara ny frantsay ny taona 1897 dia efa voarakitry ny tantara fa naniraka mpandinika maro hijery ny kolontsaina sy fiavahan’ny faritra tsirairay avy teto.

Anisan’ny nalaza, ohatra, ilay mpahaiolona (anthropologue) sady Jezoita, Pirolier, nisantatra izany. Nandritry ny fitondran’i Gallieni, nanomboka ny taona 1910 koa, dia noraketin’ireo mpahay vondron’olona (ethnologue) tanatina boky siantifika navoakan’ilay rafitra hoe ORSTOM (Organisation de recherche scientifique du territoire d’outre mer) mihitsy ireo voka-pikarohana. Nalaza moa fa tamin’izany no nivoahan’ireo fiteny hoe merina malama loha, betsileo jokotsorika, tandroy fangalarana, betsimisaraka hakamoana sy ny sisa. Ankehitriny dia hita ho mbola voizina hatrany ity resaka zanaky ny faritr’izao sy izao ity. Lasa sarintsariny sisa ilay firaisankinam-pirenena fa mainka aza izy ireny miteraka fizarazarana. Misy minisitera sasany, ohatra, na rafitra hafa koa dia saika iray fiaviana avokoa no hita ao. Farany teo koa moa dia niaraha-nahita fa hoe misy ny kandidan’ny faritra zatsy sy zatsy. Raha aravina dia ny fomba nahazatra tao anatin’ny repoblika faharoa no nankaty ihany no mbola lovain’ireo mpanao politika satria ve mety aminy ilay zarazarao hanjakana izay mbola mampahatra antsika mandrak’anio?

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT