Manamarika ny faha-50 taonany ny Faritra Zezoita eto Madagasikara, izay ny 08 jona 1971 izany hoe ny taona 2021 no tena tsingerin-taona katroka saingy tsy afa-nankalaza izany noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana, ka izao
vao tena manamarika izany. Iray amin’ireo tsangambaton’io faha-50 taona io ny boky « Les Jésuites dans l’histoire à Madagascar. Promouvoir la personne et la société » na ny Zezoita sy ny tantaran’i Madagasikara, sehatra hampiroboroboana ny maha olona sy ny fiarahamoina, izay nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Kolejy Masindahy Misely Amparibe. Mifamatotra amin’ny tantaram-pirenena Malagasy ny Zezoita sy ny fitoriana ny filazantsara, izay isan’ny raketin’ity boky ity. Nanana andraikitra tamin’ny fitoriana ny fiangonana teto na tsy izy irery aza. Niainga tany amin’ny taona 1500, 1600 ny fidirany teto, ary tany amin’ny 1885 vao tena tafiditra, izay tantara henjana mifamatotra tamin’ny fitondrana andriamanjaka tamin’ny andron-dRanavalona III. Teo hatrany tamin’ireo toe-draharaha lehibe teto amin’ny firenena, toy ny 1972 dia anisan’ny niaraka tamin’ny ankizy nalefa tany Nosilava ny Mompera Rémi Ralibera, ny raharaha 1975, 1991,... Manana andraikitra amin’ny fanabeazana, fikolokoloana ny olona ihany koa hatramin’izay ary mbola sitrahana mandrak’ankehitriny. « Ny maha tantara dia ny olona, ny toerana, ny zava-misy sy ny tranga, ka ny boky dia mitantara sy maneho ny zava-misy », hoy i Mompera Fulgence Ratsimbazafy Lehiben’ny Zezoita eto Madagasikara. Fijery marolafy na “aproches pluridisciplinaires” ary zoro samihafa moa no nanoratana ny boky izay mahatratra 416 pejy kanefa 30000Ar monja no vidiny ary 2000 eo no natonta. Làlan-tsaina isan’ny nanoratana azy ny tantara makany amin’ny filozofia, teolojia, politika, ny haifiarahamonina, ny haiolona, hainteny,… izay nolaroina fandalinana maro. Mpanoratra miisa 19 no niara-nisalahy ahitana an’Atoa isany Raymond Ranjeva, Claude Henri Andrianiainason, Rtoa Mbolatiana Rakotoniaina, Noro Hanitra Razafimamonjy, Marie Frédeline Rahariniaina, Marie Ellina Raharimalala, Soeur Alice Linah Ravonjiarisoa, Mompera Abdon Rafidison, Aurelien Paul Ralainirina, Charles Raymond Rakotovao, François Noiret, Fulgence Ratsimbazafy, Hilarion Rakotoarison, Mamy Wilson Daniel Randriamanantena, Marc Ravelonatoandro, Olivier Rasolofoniaina, Prospère Rakotomananarivo, Stéphane Nicaise, ary Sylvain Urfer mompera Jezoita efa nodimandry.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.