Finoana

Zanak’I Dada : Solontenan’i Madagasikara no nifidy tany Manakara


  • Alakamisy 23 Aogositra 2012

Ny momba ireo miaramila, ny fahalanian’ny mpitandrina Rasendrahasina sy Marc Ravalomanana hitantana ny Fjkm ato anatin’ny efa-taona ho avy no anisan’ny nisongadina tamin’ny lahatenin’ireo nikabary teny amin’ny kianjan’ny finoana omaly.

 Notsiahivin’ny mpikambana eo anivon’ny kongresy, Ignace Randriamamizafy fa anisan’ny fepetra takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mialoha ny fifidianana ny hisiana fitoniana. Tamin’ny andron’ny praiminisitry ny Fat, Vital, hoy ity mpikambana ao amin’ny kongresy dia efa nilaza ny Fat fa vonona amin’ny fifidianana. Midika izany, araka ny fandinihan’ity mpikambana eo anivon’ny kongresy fa efa nilamina ny tany tamin’izany koa izao indray dia lazaina fa mikorontana. Raha lazain’ny miaramila fa tsy mikorontana, nahoana no milaza fa hanao fifidianana indray. Nambarany fa tsy tokony hanantena fitoniana raha tsy tafody eto i Marc Ravalomanana. Efa fantatreo, hoy izy tamin’ny miaramila fa ny olonareo ihany no hanakorontana rehefa tonga eto Ravalomanana dia tsy iza izany fa ny AV7, ny miaramila miaro ny Fat sy ireo mpomba an-dRajoelina.

Notsindrian’ny mpikambana eo anivon’ny kongresy ingahy Marcel ihany koa fa raha tsy tafody Ravalomanana tsy hilamina ny tany, tsy hiala ny sazy. “Ny miaramila mihitsy no manitsakitsaka ny lalàna. Izy natao hiaro antsika indray no rangory fototry ny afo, mamono ny Malagasy”, hoy ity CT ity izay nanamafy fa tsy I Andry Rajoelina intsony no sakana fa ireo be basy manodidina azy. “Ny miaramila no sakana tsy hivahan’izao krizy izao”, hoy ihany ingahy Marcel. Nambarany moa fa tsy hisy hahasakana ny fodian-dRavalomanana eto an-tanindrazana ireo be galona ireo. Ny fahefana kitapo latsaka, hoy izy no manahirana an-dry zareo ny miaro azy. Ny vahoaka no hamaly faty amin’ny alalan’ny fifidianana, hoy kosa i Manoela Ralaimampisainarinony izay nilaza fa ny fahalanian’ny mpitandrina Lala Rasendrahasina sy Marc Ravalomanana hitantana ny Fjkm dia mbola ampahany amin’ny ho fifidianana ho avy eo. “Tsy ny Magro na i Manakara manko no nifidy fa Madagasikara iray manontolo no nandefa solontena hifidy ireo olona ireo”, hoy ny depiote Rodin Rakotomanjato. Izay sahy hilatsaka dia sahia miatrika, hoy ihany izy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT