Finoana

Zaikaben’ny Tanora FLM Tra-doza tao Ankazobe ny delegasionan’ny SAVA


  • Alarobia 09 Septambra 2015

Niharan-doza tany Ankazobe (RN4) omaly tolakandro teo ny fiara minibus nitondra ireo tanora FLM avy any SAVA tokony hamonjy Zaikaben’ny Tanora FLM, andiany faha-19,

 

 tanterahina any Farafangana nanomboka omaly hatramin’ny alahady ho avy izao. Naratra avokoa ny tao anatiny ary tsaboina ao amin’ny hopitalin’Ankazobe. Loza fanindroany nihatra tamin’ireo tanora ireto izao. Tamin’ny alakamisy heriny no efa niala tany Sambava izy ireto, saingy tra-doza tany amin’ny 40km tsy hidirana ny tanànan’Ambilobe ny sabotsy tamin’ny 3ora maraina. Niova fiara izy ireo ary afaka nanohy ny dia ihany, dia izao tra-doza tao Ankazobe omaly izao indray.

Nitarika ny solontenam-panjakana nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny Zaikaben’ny Tanora FLM tany Farafangana omaly ny praiminisitra Ravelonarivo Jean, izay zanak’ity Distrika ity rahateo. Nanolotra 10 tapitrisa Ariary izy hanampiana amin’ny fikarakarana. Nanolotra 10 tapitrisa Ariary ho an’ny Fiangonana katolika ihany koa izy hanampiana amin’ny fandefasana ireo tanora solontenan’ny diosezy Farafangana hiatrika ny JMJ Mada 8 hatao any Fianarantsoa.

 

Jean D.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT