Finoana

Zaikabe faharoapolon’ny FKTLM tany Toliara Nahatratra 12.000 ireo tanora nandray anjara


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Nifarana ny alahady 21 oktobra teo tany Toliara rehefa naharitra hadimiana ny zaikabe faha-20 an’ny Fikambanan’ny Kristianina Tanora Loterana Malagasy (FKTLM).

Azo ambara fa ambohipihaonan’ny tanora kristianina Loterana mivondrona ao amin’ity rafitra ity ny tany an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana satria dia tanora avy amin’ny synodam-paritany 25 manerana ny Nosy sy avy any andafin’ny riaka no tonga tany an- toerana nefa 30.000 no novinavinaina. Fandaharam-potoana raikitra tamin’izany ny antsankiram-piderana sy ny fivoasana ny tenin’ Andriamanitra. Fa satria nifandraika amin’ny vanim-potoana hanatanterahana ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ho filoham-pirenena iny zaikabe iny ka dia nifanotofan’ireo kandida ny nandalo nanatrika ny ampahan’ny fivoriana ka nikorianan’ny vola fanampiana avy amin’izy ireo. Nisy mihitsy iray nahafoy hatrany amin’ny 10 tapitrisa ariary. Tao koa ny nanolotra   ranomboankazo sy  yaourt  ary vola ambanimbanin’ny voalaza tery ambony. Ny nahagaga an’ireo tanora mpizaika anefa  dia feom-bola fotsiny no ren’izy ireo fa tsy nisy tonga teo am-pelatanan’izy ireo na kely aza. Nisy mihitsy moa ny kandida nilaza fa nomeny an-dRtoa mpitahirivolan’ny FKTLM, Mme Dina ny vola nefa dia tsy hita popoka hatramin’ny fiafaran’ny zaikabe. Dia nody tany amin’ny nisy azy tamin’alahelo ireo mpizaika. Tena nahagaga azy ireo ihany ny fihetsik’ireo komity mpitantana ny sy Rtoa mpitahirivolany izay voatonontonona manokana amin’izao raharaha izao.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT