VOVONANA FANOROLAHY

Hanolotra fehin-kevitra ho an’ny FFKM


  • Alakamisy 05 Oktobra 2023

Mikorontana tanteraka ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny noho ny savorovoro politika.

Miezaka manelanelana hatrany manoloana izany ireo Raiamandreny am-panahy tarihin’ny FFKM, mba hahafahana mitady vahaolana. Anisan’ny noraisin’izy ireo tamin’izany ny vovonana Fanorolahy tarihin’ny filoha nasionaly Randrianary Jose, izay tsy momba ny atsy na ny aroa na ilay antsoina hoe : vondron'elatra afovoany. Ankoatra ny vontoatin-dresaka momba ny fifidianana dia nasongadin’ity vovonana ity ireo olana maro samihafa mahatonga ny fifandonana misy eo amin’ny kandidam-panjakana sy ny vondron’ny kandida miisa 11. Anisan’ireny ny fisian’ ireo vonona ny hiroso avy hatrany amin'ny fifidianana. Misy koa ireo resy lahatra fa ilaina ny fifidianana saingy tokony hatao aloha ny fandaminana mba ho feno ny fepetra hisian'ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken'ny rehetra. Farany dia misy koa ireo mangataka ny mba hisian'ny fitondrana manokana handamina tsara ny fifidianana. Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny vovonana Fanorolahy fa hanolotra fehin-kevitra ho an'ny Raiamandreny am-panahy ao anatin’ny fotoana fohy. Samy Malagasy isika ka mila mitady vahaolana haingana hoy ny filoha nasionaliny hisorohana ny mety hisian’ ny ady an-trano sy ny korontana sanatria. Nankahery ary mbola misaotra ny fahavononan'ny FFKM amin'ny fitadiavana ny vahaolana ny vovonana Fanorolahy. Natomboka tamin’ny vavaka ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny fihaonan’ny roa tonta afak’omaly hariva ary mbola nofaranana tamin’ny alalan’ny vavaka ihany koa.
Pati
Legende : Randrianary Jose, filoha nasionalin’ny antoko Fanorolahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT