Vondrona Laika Kristianina

> Nanao fihaonambe fifanakalozana


  • Alatsinainy 02 Septambra 2013

Nifarana ny tolakandron’ny alahady 01 septambra ny fihaonambe nasionalin’ny VLK na ny «Vondrona Laika Kristianina», eo anivon’ny fiangonana FJKM manerana ny Nosy izay notontosaina tao Antsirabe nandritra ny telo andro.

 

Mpizaika nanodidina ny 2 000 teo ho eo avy amin’ireo Synodam-paritany miisa 36 manerana ny Nosy no nahatonga solontena tamin’ity hetsika ity. Nambaran’ny filoha nasionaly, Atoa Radavidson Andriamparany tamin’izany fa ny hitaiza ny vahoaka kristianina amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra no antom-pisian’ity rafitra ity eo anivon’ny FJKM, izay iray amin’ireo sampana valo misy ao amin’ity fiangonana ity. Ny tanjona dia ny fijoroana vavolombelona amin’ny alalan’ny asa sy ny Soratra Masina, izay tsy ao am-piangonana ihany fa hatreny anivon’ny fiarahamonina. Ankoatra izay dia ny fihaonambe toy izao no hanehoan’ireo mpikambana ny talentany hanasoa ny asan’Andriamanitra sy ny fifanakalozana satria araka ny soratra masina : «Ny tavan’ny rahalahy mandranitra ny tavan’ny rahalahy». Ankoatra ny fijoroana vavolombelona amin’ny lafiny finoana moa dia nisy ny varotra fampirantiana ireo vokatry ny synodam-paritany izay asa tanan’ireo laika, nisy koa ny fenehoana ny talenta isaky ny faritra ary nisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena, indrindra ny fianarana ny Soratra Masina.

Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT