Finoana

Vondron’ny Kristiana Katolika Miantso ny FFKM


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010


“Tonga ny fotoana tokony hijoroanareo raiamandreny am-panahy, dia ny FFKM”, hoy ny Vondron’ny Kristiana Katolika Mijoro amin’ny Fahamarinana. Tsy fikambanana masina na mijoro ara-panjakana, ary tsy miteny amin’ny anaran’ny EKAR na koa misolo tena ny kristiana katolika ny VKKMF fa vondrona kristiana katolika tafintohina noho ireny nitranga ny 17 martsa 2009 ireny. Kristiana te hamerina ao am-bala ireo solafaka. “18 volana izao no niaritra ny mangidy izahay zanakareo. Nandritra izay fotoana nampisavorovoro ny fiainam-pirenena izay dia ary nitondran’ny mpitondra fiangonana sy ny fiangonana ny mafy, indrindra fa ny FJKM dia tsy re antso, tsy re feo ianareo na dia fahoriana sy fijaliana ary fahafatesana aza no niantefa taminay zanakareo. Maro no very asa aman-draharaha, mirenireny na zanaka na ray aman-dreny, tsy mitrongy vao homana intsony fa tsy mahita hohanina mihitsy. Mirongatra ny fandrobana ka ny aina no manaraka; mahantra tanteraka ny Kristiana”: Santionany tamin’ny taraina nataon’ny VKKMF amin’ny filohan’ny FFKM moa izany. Manantena ity Vondrona kristiana ity fa dia hitsangana ny FFKM hanohitra ny tsy rariny fa hijoro kosa ho amin’ny fahamarinana. Miantso ny FFKM koa izy ireo hanome tanana amin’ny fitadiavam-bahaolana eto Madagasikara. 

Nangonin’i Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT