Finoana

Vondrom-pinoana AMCM Nihaona tamin’i Honore Rakotomanana


  • Alakamisy 05 Janoary 2017

Tonga nitsidika ny Filohan’ny Antenimierandoholona tetsy Anosikely, omaly maraina, ny vondrom-pikambanana ara-pinoana AMCM na ny « Amical des Musulmans et Chretiens de Madagascar » izay tarihin’ Andriamatoa isany Hamada Chanfi, ho an’ny Silamo sy Rabeson Rafaralahibe kosa ho an’ny Krisitiana.




Miara-miasa sy  mandala ny Fihavanana ary ny Fampihavanana  Malagasy ity AMCM  eto Madagasikara ity. Ka noho izao fahatongavan'ny Asaramanitra izao dia niarahaba sy nirary soa ho an’ny filoha Rakotomanana Honoré amin’ny maha-Raiamandreny azy eto anivon’ny Firenena ireto mpitarika vondrom-pinoana ireto ary vonona ny hifanome tànana ho amin’ny fampadrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fanajana ilay soatoavina maha-Malagasy dia ny “Fihavanana”. Tsy mifandrafy ihany koa fa miara-miasa tanteraka izy ireto  eto Madagasikara ary hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ihany koa. “Laika” ny Firenena Malagasy, hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ka mila mifanome tanana  ny rehetra  ho fampanjakana ny tena fihavanana marina  mba hiteraka Fampandrosoana maharitra ho an’nyfirenena. Ny taona 2013 no niforona teto Madagasikara ity vondrom-pinoana “AMCM” ity ary efa mielipatrana manerana ny Nosy ankehitriny.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT