Finoana

Volana ramadany Fianakaviana maro nahazo fanampiana teny Antohomadinika III G Hangar


  • Sabotsy 05 Jolay 2014

Fianakaviana sahirana niisa 337 voafantina tamin’ireo 500 natolotry ny fikambanana Zanabahoaka etsy Antohomadinika III G Hangar ny alakamisy teo no notoloran’ny Ong SIF (Secours Islamique France) vary sy voamaina miampy siramamy.......

sira ary menaka. Hetsika tafiditra ao anatin’ny iray volan’ny ramadany izay efa natomboka teny Ampefiloha Ambodirano tamin’ny taon-dasa 2013 izao tohizana ety Antohomadinika III G Hangar izao, hoy Rtoa Andriamanirimanasoa Holivero Lalaina tompon’andraikitra ao amin’ny Ong SIF eto Madagasikara. Nosafidianay ireo toerana roa ireo hanatanterahana ny hetsika, hoy izy, satria tao no efa misy fikambanana efa zatra manao asa soa toy ny Zanabahoaka sy ny ADSSA. Ramamonjisoa Rolland Pascal filohan’ny fikambanana Zanabahoaka III G Hangar kosa no nanamarika fa efa mpiara-miombon’antoka amin-dry zareo amin’ny fikarakarana zaza tsy ampy sakafo ny SIF ary koa efa nanolotra WC ho an’ny fikambanana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT