Finoana

Volana Masina Ramadany sy ny fifehezan-tena Nomarihina nanomboka omaly ho an’ireo mpino Silamo


  • Zoma 18 Mey 2018

Nomarihina nanomboka omaly alakamisy 17 mey ny iray volana masina Ramadany 1439 h sy ny fifehezan-tena ho an’ireo mpino Silamo eto amintsika.

 Tena 

volana masina izy io  raha araka ny fampianarana Silamo ka  manao fifadian-kanina antsoina hoe : “fifehezana” mandritra ny  iray volana ireo mpino Silamo  raha araka ny fanazavan’ny  filoha Nasionalin’i  Ummi Madagascar,  Atoa Sheikh Rijaly. Ny atao hoe : fifehezana na fanaovana ramadany hoy izy dia  fitazoman-tena atao ho an’ny Tompo Zanahary  tsy hanaovana  zavatra voafetra mandritra ny fotoana voafetra. Tafiditra ao anatin’ny adidy fanompoana izay nandidian’Andriamanitra ny mpino Silamo rehetra izany, hoy izy araka ny tenin’ny Tompo Allah ao amin’ny Kor’any Masina 2.183. Nomarihiny fa betsaka ireo manimba ny fifehezan-tena ankehitriny. ny fihinanana sy ny fisotroana an-tsitrapo, ny filazana lainga mikasika an’Andriamanitra sy ny Irany ary ireo mpandimby azy an-tsitrapo. Eo koa ny fandetehana ny loha manontolo ao anaty rano, ny firaisana ara-nofo an-tsitrapo…..

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT