Finoana

Volana masina Ramadany Miantso ny mpino mba hanalavitra hatrany ny ratsy ireo mpitarika


  • Talata 29 Mey 2018

Efa ho tapitra sahady ny folo andro voalohany hanamarihan’ireo mpino Silamo ny iray volana masina Ramadany. Miantso ny mpino rehetra hanalavitra hatrany ireo zavatra manimba ny fifehezana,

 

 

ary hitandrina ihany koa ireo zavatra mampihena izany voninahitry ny fifehezana izany Atoa Sheil Rijaly, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny UMMI eny Anosimasina Itaosy. Ankoatra izany dia maniraka ireo mpino Silamo mba hampihavana ireo olona  miady sy misy disadisa ihany koa ity tompon’andraikitra ity  sady mivavaka ho an’ny firenena. Ny mpino silamo mantsy hoy izy  dia mpampihavana, no sady tia sy mandalina   fihavanana sy  ny firaisankina. Nomarihiny manokana moa fa ny iray volana masina Ramadany tahaka izao no hahafahan’ireo mpino manovo ireo karazana fahasoavana avy any ambony. Raha sanatria ka manao zava-boarara anefa izy ireo toy ny fitenenan-dratsy ny hafa, ny fanaovana firaisana ara-nofo …. dia  mihetry ho azy ny fahasoavana tokony horaisin’izy ireo.

 

                                      

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT