Finoana

Volana masina Ramadany Manomboka anio sabotsy


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Manomboka anio sabotsy 25 aprily ny volana masina Ramadany ho an’ireo mpino Slamo maneran-tany.

 

 

 Amin’ny ankapobeny dia fotoana fangatahim-pitahiana amin’Andriamanitra izy io hilofosana amin’ny vavaka sy fampianarana tsy miato saingy voafetra ihany ireo mpino Slamo afaka manao izany amina toerana iray amin’izao hoy Sheik Rijaly filohan’ny fikambanana mpiray finoana eto Madagasikara na ny UMMI eny Anosimasina Itaosy noho ny fiparitahan’ny COVID 19 . Ny vavaka hatao isan-tokantrano araka izany no hamafisiny ho an’ny mpino Slamo rehetra na andro na alina hoy izy raha hajanona ihany koa ny fiaraha-misakafo fomba fanao isan-taona. Mikasika ny asa sosialy indray dia fantatra ihany koa fa noferana izany noho ny tsy fahafahana mamory olona mihoatra ny 50 isa, fepetra napetraky ny fitondram-panjakana. Tsiavihina moa fa noho ny tsy fahitana ny singam-bolana afaka omaly no antony tsy nahafahana namaritra mialoha ny daty hanombohan’ny volana ramadany izay manomboka anio.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT