Finoana

Vohidiala Nirodana tanteraka ny fiangonana FJKM


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Nirodana ny fiangonana FJKM Vohidiala Finoana, Manakambahiny Andrefana, any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka.

 

 

Afak’omaly talata alina tokony ho tamin’ny 10 ora no voalaza fa nitrangan’ny loza ka ny tafo iray manontolo niampy ny ampahany lehibe tamin’ny rindrina  no lasibatra. Ny tilikambo sy ny trano vadim-piangonana sisa no nijoro. Voatery narodana ihany koa  ireo sisa mbola nijoro mba hiarovana ny loza mety hanjo ny mpandalo. Voatsindry tao avokoa ny fanaka  rehetra nijanona tao am-piangonana. Tsiahivina moa fa dia herim-pon’ireo mpino ao an-toerana avokoa no nahavitana ny fanavaozana  ity fiangonana ity amin’izao endriny ankehitriny izao ankoatra ny fanampiana avy amin’ireo malala-tanana sy tsara sitrapo samihafa. Mangataka fanampiana sy tolo-tanana avy amintsika rehetra ireo mpino sy ny  fitandremana FJKM Vohidiala Finoana, mba hifanohana amin’izy ireo. Lohalaharana amin’izany ireo namana sy ny zanaka am-pielezana rehetra. Ny laharam-pinday 034 48 309 93 moa no hahafahana mifandray amin’izy ireo mivantana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT