Finoana

Vinan’ny FJKM Mbola firenena Kristianina I Madagasikara amin’ny taona 2118


  • Talata 26 Oktobra 2021

Vinan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ao anatin’izao synoda lehibe andiany faha 19 tanterahin’izy ireo izao ny hametraka an’I Madagasikara ho mbola firenena Kristianina amin’ny taona 2118

, raha ny fampahafantarana natao momba izany. Ankoatran’izay moa dia ao anatin’ny fihaonambe faha 5 eo amin’ireo omoneria FJKM koa ity fiangonana ity nanomboka ny 24 oktobra teo ary hifarana rahampitso 27 oktobra ao Ambohimena Fanantenana Antsirabe ka teny filamatra itondrana izy ireo izany fihaonana izany, izay efa mifandraika amin’ny vina voalaza teo ny voasoratra ao amin’ny baiboly, ao amin’ny Korintianina 15:58 manao hoe “Miorena tsara, aza miova”. Hafatra avy amin’ny filohan’ny FJKM, ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, ihany koa ny hanamafisana ny tarigetra manao hoe Vontosy filazantsara I Madagasikara. Manainga ireo mpino ny FJKM mba hanao fiangonana maitso sy sekoly maitso ihany koa ho fiarovana ny tontolo iainana manoloana izao fahasimban’ny tontolo iainana mihatra manerana izao tontolo izao izao. Izany hoe misarika, indrindra, ireo fiangonana sy sekoly FJKM rehetra mba hamboly hazo na hanao zaridaina eo an-tokontanin’izy ireny. Manainga ny Kristianina rehetra ihany koa ny FJKM manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny mba tsy hanaingy ireo tolo-dalana tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra toy ny mikasika ny resaka fanalan-jaza sy LGBT, hoy hatrany ny fanazavana.
Legende : Ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, filohan’ny birao mpiandraiitra foibe Fjkm (Tahirin-tsary)
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT