Finoana

Vehivavy nanota fady Maty nodoran’ny olona velona


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2016

Vehivavy iray voalaza fa nanota fady tany Valamena Satrokefa, any Mananjary no niharan’ny fitsaram-bahoaka omaly alahady.

 Toerana masina sy vakoka ho an’ny mponina no nanaterany henan-dambo izay fady tanteraka. Pasitera no voalaza fa naniraka azy hanaotao foana toy izao. Nanamparan’ny fokonolona ny hatezerany ity ramatoa ity ary naratra mafy. Taorian’izay dia nodoran’izy ireo velona ka maty tsy tra-drano ilay ramatoa. Mbola maro amin’ny faritra sy toerana eto Madagasikara no mitana ireny fomba amam-panao ireny. Sarotiny amin’ny  fomba mampiavaka azy ny fiarahamonina, indrindra ireo any ivelan’ny renivohitra ka ny fanaovana tsinontsinona izany dia miteraka hatezerana ho an’ny olona ary mety hisy fiantraikany izay tsy takatry ny saina. Mbola adihevitra tsy mety tapitra ny mahakasika ny finoana sy ny fomban-drazana. Samy manana ny finoany sy ny fomba amam-panaony ny fiarahamonina ka tokony hifanaja mba hisorohana ny fifandonana.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT