Finoana

Vehivavy Advantista Mikatsaka ny fahasalamana ara-batana


  • Alarobia 21 Mey 2014

Nanatanteraka hazakazaka nentina nitaizana vatana ireo vehivavy advantista eto an-drenivohitra.

 Ny alahady lasa teo no nanatanterahany izany, tamin’ny lalana mirefy 5 km, niainga avy teo amin’ny Lapan’ny tanàna, nandalo teny amin’ny garan’i Soarano, nihazo ny tonelina Ambohidahy, Anosy ary niverina teo amin’ny Lapan’ny tanàna indray. Vehivavy miisa 900 teo ho eo no nandray anjara, notronin’ireo vehivavy hafa finoana. Izao no natao, raha araka ny fanazavan’i Herinirina Margery, lehiben’ny minisiteran’ny vehivavy advantista aty amin’ny ranomasimbe Indiana dia mba hitaizana ny vatana hisorohana ireo karazan’aretina maro samihafa mety hahazo ny vehivavy. Ankoatra ny hazakazaka moa dia nisy ihany koa ny torohevitra nomena ireo vehivavy mikasika ny sakafo tokony hohaniny. Notsindrian-dRtoa Margery moa fa ankoatra ny fahasalamana ara-panahy ho an’ny vehivavy advantista dia katsahin’izy ireo ihany koa ny fahasalamana ara-batana mba hahasalama ny lafiny ara-tsaina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT