Finoana

Vavaka ho an’ny firenena Feno hipoka ny Fjkm Ambatomena omaly


  • Zoma 04 Jona 2010

Miditra amin’ny herinandro faharoa ny vavaka ho an’ny firenena tanterahina eny anivon’ny fiangonana FJKM eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Taorian’ireny zava-nitranga teny amin’ny Mausolée sy Fort Duchesne ny alakamisy 20 mey ireny no nanatanterahana azy ity. Nisy mpitandrina namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’olon-tsy fantatra azy tamin’iny andro iny, ao ny nofonjaina rehefa avy nodarohin’ny miaramilan’ny FIS sy ny EMMO-REG teo am-pisamborana azy, misy koa ny mpitandrina natao sarika an-trano taorian’ny nanakatonana, niainga tamin’ny resaka am-bava, ny Radio Fahazavana ny alin’io 20 mey io ihany. Taorian’ny vavaka natao tao amin’ny FJKM Salema Vaovao 67ha ny antoandron’ny talata 01 jona dia tao amin’ny Fjkm Ambatomena indray no nanohizana io fiaraha-mivavaka io omaly alakamisy 03 jona. Feno hipoka hatrany ny fiangonana tamin’ireo fotoana roa ireo. Tsy nanavahana finoana ny fotoana. Ankoatra ny vavaka ho an’ny firenena dia notsaroana manokana ary nentina am-bavaka ihany koa ireo mpitandrina FJKM sy mpitondra fivavahana samihafa, ny mpiasan’ny fiangonana FJKM mandalo fisedrana amin’izao fotoana izao, ireo gadra indrindra ny mpiasan’ny radio Fahazavana. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT