Finoana

Vatsy Ny «franc-maçons» sy ny finoana an’Andriamanitra


  • Sabotsy 24 Mey 2014

Ny taonjato faha-17 sy ny fiandohan’ny taonjato faha-18, ny mpikambana tao amin’ny «franc-maçons» dia mpino katolika na Protestanta. Tsy mbola nampiasaina tao amin’io fikambanana io mihitsy tamin’izany ny solon’anarana hoe : «Grand Architecte de l'Univers» na dia tao amin’ireo «loge» nanovo tamin’ny hevitr’i Calvin aza. Izany dia azo porofoina ao amn’ireo sora-tanana tranainy an’ny «franc-maçons», toy ny sora-tanana antsoina hoe «manuscrit Dumfries», na dia voalaza matetika ao anatin’izany aza ny teny hoe «Jesoa Kristy Tompontsika» ary ampirisihina ireo vao niditra ho «franc-maçons» mba «Ho mahatoky amin’ny finoana an’Andriamanitra sy ny Fiangonana Masina Katolika» (He must be true to god and the holy catholick church)

 Efa taty amin’ny taona 1723, tao anatin’ny «Constitutions of the free-masons», na Constitutions d'Anderson, no nipoitra voalohany ny teny mitovitovy amin’ilay hoe «Grand architecte de l’Univers» tamin’ny alalan’i pasteur James Anderson, izay ambaran’ny mpandinika fa mety ho notovoziny tao amin’ny asa soratr’i Jean Calvin ihany.

Taty amin’ny taona 1760 vao nambara ho fanta-bahoaka tao amin’ilay karazana taratasy fampitam-baovao nantsoina hoe : «Three Distinct Knocks» naparitaka tany Dublin sy Londres, ny soratra manakaiky ny fiantsoana an’Andriamanitra ho «Grand Architecte de l'Univers», ka toy izao no nilaza azy tamin’izany :

«Ô Seigneur Dieu, Grand et Universel Maçon du monde, et Premier Constructeur de l'homme comme s'il était un temple [...]»

Teo antenantenan’ny taonjato faha-18 sy faha-19 anefa dia niova be ny famaritana ny finoana an’Andriamanitra tao amin’ny franc-maçons, ka ny hoe «Grand Architecte de l'Univers» dia anarana nasolo ny hoe «Andriamanitra» mihitsy mba tsy hisian’ny fisarahana eo amin’ireo firehan-kevitra samihafa nitsoka momba an’Andriamanitra. Ny tao Frantsa no tena nahitana izany (ilaintsika ny mahafantatra azy satria ireo «franc-maçons» eto amintsika dia saiky frantsay fiaviana avokoa na mpikambana ao amin’ireo grande loge any frantsa mihitsy aza ) ka nampizara ho telo ny firehana «maçonnique» raha ny momba ny fivavahana no resahina, dia ireo mpitana ny tarazo (conservateur ) izay naniry ny hanambatra ny fivavahana misy rehetra, ny antsoina hoe : «deiste rousseauistes» ary ny républicains positivistes. Noho ireo sokajina mpikambana «franc-maçons» nirona nankany amin’ny fiovana tany Frantsa dia nivarina niandalana nankany amin’ny fisarahana amin’ny fivavahana ny «franc-maçons», indrindra teo amin’ny lafiny fampianarana ary anisan’ireo loharano lehibe nampiroborobo fatratra ny antsoina hoe «fampianarana tsy ahitana lokom-pivavahana» (enseignement laique) tany Frantsa izany.

Hatramin’izany dia nahazo laka tsikelikely tao amin’ny «franc-maçons» ny foto-kevitra «deiste» : Ny 6 septambra 1875 dia nosokafana tao Lausanne (Suisse) ny antsoina hoe : «Convent universel» nahitana solontena maro avy amin’ireo «Rite écossais ancien et accepté». Anisan’ny lahadinika tamin’izany ny fanoratana ny fanambarana ny foto-kevitra ijoroan’ny «franc-maçons» (déclaration de principes) izay niteraka fifanoherana teo amin’ny samy franc-maçon nefa kihon-dalana nanova ny finoan’izy ireo momba izay antsoiny ho andriamanitra izany. Hoy indrindra io fanambarana miezinezina io :

«La Franc-maçonnerie proclame, comme elle a toujours proclamé, l'existence d'un Principe Créateur, sous le nom de Grand Architecte de l'Univers» na adika tsotra hoe : Ny «Franc-maçonnerie» dia manambara, toy izay efa nolazainy hatramin’izay, ny fisian’ilay fototry ny famoronana, antsoina hoe «Grand Architecte de l'Univers».

Io fanambarana io no varavarana nisokatra, nidiran’ny «franc-maçons» amin’ny «deiste» izay manaiky ny fisian’Andriamanitra saingy tsy misy hifandraisany amin’ny finoana Kristianina na hafa sady tsy «persona iray» sy manana fahefana amin’ny ety ambonin’ny tany ary koa tsy misy idiran’izay fanambaran’ny Baiboly na bokim-pivavahana hafa ; hany ka tonga andriamanitra tsy fantatra sy tsy fantatra anarana no iankohofan’ny franc-maçons ao an-tempoliny satria manao izany izy ireo ! Andriamanitra foronin’ny saina ny andriamanitr’izy ireo ka tsy miasa ho an’ny «noforoniny» fa foronin’ny «franc-maçons deiste» ny momba azy. Izany dia mitarika antsika hanontany sy hamaly ny fanontaniana hoe : «Iza marina io andriamanitra inoan-dry zareo io ?» Ny fanambaran’ny Tenin’Andriamanitra dia milaza amintsika mazava tsara fa :

“Ary Jehovah ho Mpanjakan’ny tany rehetra amin’izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany» (Zakaria 14 : 9) «Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako”, (2Timoty 1 :12) . Ny tena “mpino” dia mahafantatra izay inoany ary mijoro amin’izany !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT