Amin’ity talata 12 martsa ity no hanomboka ny “conclave” na ilay fivoriana mihiboka hataon’ireo kardinaly miisa 115 ao amin’ny Chapelle Sixteen ao Vatican, mba hanatanterahana ny fifidianana izay ho Papa Ray Masina faha-226 hitantana ny Eglizy Katolika Romana, ka handimby an’i Benoit XVI na Joseph Ratzinger amin’ny tena anarany.
Fifidianana (fihodinana) efatra isan’andro, roa amin’ny maraina ary roa amin’ny tolakandro no hatao, ka izay mahazo ny roa ampahatelon’ny vato no voafidy ho Papa Ray Masina. Na dia eo aza ny tombantomban’ny mpanara-baovao sy ireo orinasan-tserasera maneran-tany dia sarotra ny tena hamantarana hoe : iza no mety ho lany, satria araka ny nambarana pretra katolika iray dia tsy fifidianana misy kajikajy politika tahaka ny mahazatra izao tontolo izao no atao any Vatican, fa tena fifidianana ho fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra ary ny Fanahy Masina irery ihany no hitarika ireo Kardinaly ireo amin’ny safidy izay ataony. Mazava ho azy fa hafonja dia hafonja ny vavaka asandratr’izy ireo mandritra ny hanaovany ny “conclave”.
Mety ho vita ao anatin’ny iray andro, mety haharitra andro maromaro ny fifidianana. Azo fidiana avokoa rehefa mpino katolika vita batemy sy kaonfirmasio. Raha toa ka mpino tsotra no voafidy, dia tsy maintsy hamasinina ho pretra izy avy eo. Mandalo krizy ny eto ambonin’ny tany, krizy ara-politika, krizy ara-bola ary krizy ara-panahy ihany koa. Iaraha-mahalala ny fisian’ireo pretra katolika nanodinkodina sy nanolana zaza tsy ampy taona, tany ivelany tany, eo ihany koa ny firoboroboan’ny sekta sy antokom-pinoana izay mitsipaka ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ka noho izany dia manohitra ny foto-pinoana Kristianina, indrindra fa ny Katolika. Mahazo laka ny fisian’ireo mpaminany sandoka. Goavana sady makadiry, araka izany, ny adidy sy andraikitra miandry izay Papa Ray Masina vaovao eo. Marihina fa tsy manana solontena hifidy any Vatican i Madagasikara satria isika dia tsy mbola manana kardinaly.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.