Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana

« Tena marary ny Firenena, mikoroso fahana ny fiharian-karena »


  • Talata 22 Oktobra 2024

Nitondtra hafatra ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana (Justice et Paix)

manoloana ny zava-manjo ny Firenena amin’izao fotoana izao. Miantefa amin’ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, fa an'ny vahoaka malagasy sy ireo olona tsara sitra-po rehetra ihany rehefa avy nanatanteraka ny Fivoriambe faharoa tamin'ity Taona 2024 ity ny 15-18 Oktobra 2024. Tsara ho marihana fa ny « Justice et Paix (Fahamarinana sy Fiadanana) dia Vaomiera ao anatin'ny Eglizy Katolika ary mijoro ara-dalana. Naneho fa tsy miolonolona ity vaomiera ity fa mizara ny hafaliana sy ny tebitebin'ny olombelona, ka adidiny ny mampianatra sy mikolokolo ary maniraka. Manana ny fomba fiasany ny Vaomiera araka ny fampianarana sosialin'ny Eglizy : Mijery-mandanjalanja-mikatroka-mankalaza ary manampy izay rehetra mikatsaka ny fahamarinana. Rehefa avy nifampizara sy namakafaka ny zavamisy eny ifotony, dia nanolotra fehin-kevitra ka ampahany amin’izany ny hoe : « Tena marary ny firenena ». Mikoroso fahana ny fiharian-karena. Tsy afenina fa tsy manana planina mahenika ny sehatra rehetra mipetraka entina hanarenana ireo isika, hoy io tatitra io. Raha ny marina dia ny Repoblika voalohany no farany mametraka drafitra tena maty paika entina hampandrosoana an'i Madagasikara. Programa no napetraka taty aorina ka tsy afahana mahita ny lavitr'ezaka sy fohy ezaka. Maro ny gaboraraka eo amin'ny fiainam-pirenena. Mihena ny risi-pon'ny olona hamokatra ary miharatsy ny kalitaon'ny vokatra satria dia mbola manjaka hatraiza hatraiza ny tsy fandriampahalemana sy ny fibodoan'ny sasany ny tanin'ny hafa. Miseho lany ny fitsaram-bahoaka satria tsy matoky ny tompon'andraikitra ny vahoaka amin'ny faritra maro,… Fanabeazana mitotongana, sekoly mikatona any ambany vohitra, ny tanora manana diplaoma fa tsy an’asa. Fanabeazana sy fampianarana mitondra mankaiza no hajoro eto? hoy hatrany io Vaomieran’ny Eveka io. Ny lafiny ara-pahasalamana tsy mandeha amin’ny tokony ho izy. Ny fahalovana sy ny kolikoly mandravaravara ary mamotika tanteraka ny maha olona. Maro amin’ireo tokony hiaro ny vahoaka, hampihatra lalàna,… no lasa miray hina amin’ny tambajotra mpanao ratsy. Tsy voatazona intsony ny soatoavina maha olona.
FANASOAVANA VAHOAKA FA TSY FIKATSAHANA TOMBOTSOA NY POLITIKA
Ara-politika, miharihary ny fitadiavana seza, fitadiavana tombotsoan’olon-tokana sy olom-bitsy, fandraisana ny tsy mitovy amin’ny tena ho fahavalo ka politika inona ? Momba ny fifidianana atsy ho atsy lazaina fa manakaiky vahoaka, zavatra tsara ny mahita olona liana, fa manahirana ihany koa ny mahita olona tsy taitra fa hoe : tsy hanova na inona. Miantso ny mpanao politika ho mpifaninana fa tsy mpifahavalo, ary tsy hanararaotra ny fahoriam-bahoaka, ary ny vahoaka handray andraikitra fa tsy hiraviravy tànana io Vaomieran’ny Eveka io. Nanamarika fa fanasoavana ny olon-drehetra fa tsy fitadiavana tombotsoa ny politika. Misy tokoa ny ezaka toy ny fanamboaran-dalana na betsaka aza ny mbola mila amboarina, ny fotodrafitrasa, ezaka iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana, fanampiana ara-tsosialy,… kanefa na eo aza ireo dia iaraha-mahita fa tena mahantra ny vahoaka, betsaka ny mitrongy vao homana, ka toy ny sokina nanani-bato, hoy ny Vaomieran’ny Eveka momba rariny sy ny fiadanana. Mila vahaolana maty paika sy lamina ary fomba fiasa mahomby !
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT