Finoana

Vahao ny oloko Hisaotra an’Andriamanitra amin’ny faran’ny taona


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Hiavaka ny fotoam-bavaka hotanterahin’ny trano fivavahana Vahao ny oloko amin’ity faran’ny taona 2020 ity.

 

Ankoatra ny fisaorana an’Andriamanitra tamin’ny zavatra nataony sy handraisana ny taona vaovao mantsy dia hidera ihany koa izy ireo ao anatin’izany ka sady hisy vavaka eny amin’ny By pass no hisy ihany koa etsy Andrefanambohijanahary. Izany no natao hoy pastera Tovonarivo Trimoarivony anisan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ity fiangonana ity dia ny mba hahafahana mitrotro am-bavaka ny fiainan’ny tsirairay. Tsiahivina moa fa raha namoky ny fanahin’ny mpino hatrany izy ireo tao anatin’izany 360 andro lasa izay dia niroso tamin’ny famahanana ny nofon’izy ireo ihany koa ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny By pass. Akoho 2.000 isa no novonoina tamin’izany niaraka tamin’ny vary 4 taonina sy sasany. Ny mba nahafahan’ny mpiara-miasa nihaona indray no tanjona tamin’izany noho ny asa hiantsorohan’ny isam-piangonana isan’andro.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT