UMMI MADAGASCAR

Hiroso amin'ny fampihavanana ireo tsy mitovy Finoana


  • Alatsinainy 23 Jona 2025

Ny 80% -n'ireo karazana ady misy manerantany dia fantatra fa

vokatry ny tsy fitovian'ny Finoana misy eo amin'ireo mpifanandrina avokoa. Tsy mijanona ho an'ireo firenen-dehibe ihany izany fa hita hatreny anivon'ny fiaraha-monina mihitsy, antony tsy hisian'ny fitoniana sy ny filaminana. Mahatsapa izany indrindra ny Fikambanan'ireo mpino Slamo mivondrona ao anatin'ny UMMI Madagascar, tarihin'ny Filohany Sheick Issa ka vonona handray ny andraikiny. Hiezaka hamafa ny tsy fifankazahoana sy fifankahalana hafafin'ny sasany izy ireo manomboka izao izay nambarany fa mitaky fidinana ifotony mihitsy. Tsy ampy hoy Sheick Issa ny fanentanana fa mila mifampiresaka sy mifanantona ary mifampianatra, fihaonana hatao ao anatin'ny fifanajana sy ny firaisankina tanteraka. Tsiahivina moa fa miezaka ny mivoy ilay kolontsaina mihavana amin'ny olon-drehetra ireo mpino Slamo ankehitriny, hanafoanana ilay fomba fijerin'ny sasany azy ireo toy hoe : mpampihorohoro sy mahery fihetsika
Pati
Légende : Ireo lohandohan'ny mpisorona eo anivon'ny fikambanana Slamo Ummi Madagascar otronin'ny Evangelistra Diamondra ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT