Finoana

Tsy voafehy intsony ny firenena Miantso ny tafika sy ny FFKM, ny K3F


  • Alatsinainy 23 Aprily 2018

Nanao fanambarana lehibe tao amin’ny Sekoly Saint Michel Amparibe ny K3F (Komitin’ny Fahamarimanana Fandriampahalemana Fiadanana) omaly manoloana ny zava-niseho teny Analakely ny sabotsy 21 aprily teo.

 

 Mizara 7 mazava tsara izy io, izay novakian’ny iray amin’ireo mpandrindra, dia i Naina Razafiarison, ka toy izao avy izany: Miondrika am-panajana manoloana ireo namoy ny ainy ary mivavaka sy mampahery ny fianakavian’izy ireo, ary mirary fahasalamana ho an’ireo naratra. Manameloka amin’ny heriny rehetra ary manamafy ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny atrikasa nataon’ny K3F tany Fianarantsoa, fa ampy izay ny rà latsaka eto amin’ny firenena; Misintona ny sain’ny mpitondra fanjakana ankehitriny fa tsy mahafehy ny fitantanana ny firenena intsony izy ireo ka tsy tokony hiziriziry fa handray izay fanapahan-kevitra hampitony izao savorovo izao; Mampahatsiahy, fa ny hanorenana firenena hanjakan’ny fahamarinana sy ny fandriampahalemana ary ny fiadanana no tanjona ka aoka samy ho vonona hifampidinika ny ankolafin-kery rehetra mba hirosoana amin’izay ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fihavanana Malagasy; Miantso ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana mba hijoro ho tena tandroka aron’ny vozona eto amin’ny firenena, ka hiantoka tokoa ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany ary hiaro lalandava koa ny fahalalahana maneho hevitra izay zo fototra voafaritry ny lalàmpanorenana; Miangavy amin’ny Raiamandreny ao amin’ny FFKM hanohy ny ezaka efa nataony hampihavana ny Malagasy; Miantso ny vahoaka sy ny mpanao politika mba ho tony manoloana ny zava-misy ary handinika tsara izay fomba hitantanana ny firenena amin’ny ho avy. Vonona hatrany ny K3F ny hijoro ho sehatra tsimialonjafy hifampidinihan’ny samy Malagasy mba hahazoana mampajaka ny ny fahamarinana, fahamarinana sy ny fandriampahalemana ary ny fiadanana eto, hoy izy ireo.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT