Finoana

Tsy nisorona ny Fiangonana Tena mahantra sy sahirana ny vahoaka


  • Talata 07 Jona 2022

Ankoatra, naneho ny Fiangonana fa anaty fahasahiranana sy ady ny vahoaka Malagasy. Eo ny coronavirus izay mbola tsy nifarana ary ambaran’izy ireo fa mitady hirongatra indray aza raha tsy ampy ny fitandremantsika.

Ny ady amin’ny fahantrana sy ny sondro-bidim-piainana isan’andro. Ny ady amin’ny fihanaky ny asan’ilay ratsy izay hita any amin’ny sekoly maromaro sy ireo sehatra maro hafa eto amin’ny nosy. Ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin’ny kolikoly. Miantraika aty ny ady any Ukraine misy akony amin’ny seha-pihariana, sy ny tontolom-piarahamonina maneran-tany. Niantso ny rehetra tsy ho kivy sy tsy hiraviravy tànana anefa ny FFKM, ary nitondra firarian-tsoa. Nanentana ny Malagasy hijoro mandrakariva amin’ny fahamarinana sy fahamasinana. Miezaka hatrany mitaiza sy mampianatra antsika ho olom-pirenena sy olom-piangonana handray sy hitana mandrakariva ny fitaizana eefa hatolotra sy mbola hatolotra ihany koa ny FFKM. Tsy adinon’izy ireo ny niantso manokana ireo mpisehatra amin’ny politika na mpitondra io na mpanohitra mba samy hampanjaka ny fandriampahalemana sy ny fiadanana ary hitandro ny tombotsoa ambonin’ny firenena ka hialana ny fihantsiana sy ny fanararaotam-pahefana, mba samy hahazo hiteny ao anatin’ny fifanajana sy fanarahan-dalàna ny rehetra,… Hery lehibe mijery sy manara-maso ny fiainam-pirenena ny Fiangonana, ary manana fijery mahitsy eo anatrehan’ny zava-misy. Ny olom-pirenena dia zanaky ny Fiangonana amin’ny ankapobeny, ny mpitondra ihany koa mazava ho azy. Fa moa mba mihaino sy mandray ny hafatry ny fiangonana am-pitiavana ve ireo mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena ka hiaiky tokoa fa betsaka ny zavatra tsy mety? Moa mba manana fanetren-tena ny mpitondra ka vonona hanitsy amin-kitsim-po ny tsy mety sy hanova ny laharam-pahamehana hifanojo tokoa amin’ny olana sy ny filàn’ny vahoaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT