Finoana

Tsy filaminana sy tsy fahamarinana Andrasana izay hambaran’ny Papa Fransoa


  • Zoma 06 Septambra 2019

Hoy ny Papa Fransoa tany Mozambika omaly namehy ny lahateniny : « non à la violence, oui à la paix », izany hoe tsy ekena ny herisetra, tsara ny filaminana…

 

 

raha adika tsotsotra amin’ny fiteny Malagasy. Nankasitrahany ny fifanaovan-tsonia tamin’ny 1992 tany Roma nampitsaharana tanteraka ny ady an-trano nampalaza ratsy an’i Mozambika, izay efa nahavitan’ny Tarika Mahaleo hira mihitsy moa  tamin’izany fotoan’andro izany. Maro ny dingana tsy maintsy nolalovana mba hanoratana ny tantara tsy amin’ny fifamonoana, hoy ny Papa Fransoa fa kosa amin’ny fanekena fa mpihavana sy iray ihany eto ambonin’ny tany isika. Vao iray volana izay no vita ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpioko mba hisian’ny filaminana ao Mozambika, ka nanatrika ny fihaonana tamin’ny papa tao amin’ny lapam-panjakana ny lehiben’ny mpioko. Ho tahaka izany ve ny eto Madagasikara ? Efa navoitran’ny Papa fa zava-misy aty Afrika ny fahantran’ny vahoaka kanefa ny firenena manan-karena, ny mpitondra manan-karena. Famangiana firenena mahantra izany no tena anton-diany satria raha ny atsy Mozambika dia i Dolara (3500Ar) isan’andro no miditra amin’ny olona ao izay mitovy amin’izay ny eto Madagasikara. Ny firenentsika izay ahitana herisetra miverimberina noho ny resaka politika (1972, 1991, 2002, 2009); hitrangana fifidianana miteraka ahiahy noho ny hosoka sy ny halatra ary anisan’ireo firenena 5 mahantra indrindra maneran-tany. Zava-misy aty Afrika ny fahantran’ny vahoaka kanefa ny firenana manan-karena, hoy ny Papa. Mbola henjana ny tsy filaminana eto na ambanivohitra na an-drenivohitra; tsy resaka hoe tsy fahampiana fitaovana sy tsy fahamaroan’ny mpitandro filaminana fotsiny ny antony fa noho ny romoromo any anaty fiarahamonina mihitsy. Isan-taona no manafatrafatra ireo filoham-piangonana ao anatin’ny FFKM ny tokony hiainana sy hiasana ao anatin’ny fahamarinana, ny hialana amin’ny  fahalovana sy ny kolikoly, ny fampitsaharana ny herisetra amin’ny endriny rehetra. Inoana fa hiresaka ny momba izany ny Papa ary hanome hafatra ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka Malagasy…. Anisan’ny maneho fahazakana tsikera ity Papa ity ary mivoy fa ilaina ny fanekena ny tsikera sy fihainoana ny hafa, indrindra ny vahoaka amin’ny fitantanana ny firenena.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT