Finoana

Tsy ekena ny tsindry politika Lavin’ny FFKM marindrano ilay fanalan-jaza “ITG”


  • Talata 07 Jona 2022

Nanamafy ny fitsipahany marin-drano ny volavolan-dalàna momba ny ITG (Interruption Thérapeutique de la Grossesse)

natolotry ny Depiote Masy Goulamaly ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) tarihin’ireo Filohany 4 miralahy omaly 05 jona 2022 tao anatin’ny hafatra pentekosta mafonja miantefa amin’ny manam-pahefana, olom-boafidy, olom-pirenena rehetra. Io lalàna io izay voasokajy ho manome vahana ny fanalan-jaza. « Ny FFKM dia tsy milefitra ary hentitra amin’izany fandavany izany », hoy ny fanamafisana. Miantso ny mpitondra sy ny olom-boafidy mba hoentanin’ny fanahy masina hitsipaka marin-drano izany amin’ny fanapahan-kevitra marina sy masina horaisina, hoy ny FFKM. « Aoka tsy ho tratry ireo tsindry ara-politika na avy eto an-toerana na avy any ivelany ka hanimba ny taranaka sy ny firenena mihitsy », hoy hatrany ny FFKM. Nosokajian’ny Fiangonana ho fikasana ataon’olom-bitsy ny fametrahana io lalàna sokajiany ho mamofady io, ary hentitra ny FFKM naneho fa mifanohitra tanteraka amin’ny soatoavina Malagasy mametraka ny aina ho sarobidy sy masina ka tsy afaka ny hangina ny FFKM.Nanentana ny rehetra hanao izay rehetra azo atao mba tsy hahatanteraka ny fisakan-dratsy. « Matohy izahay krisitianina sy ny Fiangonana fa tsy handraraka ilo mby an-doha ianareo ka tsy hamadika ny fahatokisana napetraka taminareo tamin’ny alalan’ny fifidianana ny vahoaka anareo ho solom-bavany, ka tsy hihevitra akory ny hanolotra na handray izany volavolan-dalàna famonoana zaza tsy manan-tsiny am-bohoka izany » hoy ny FFKM. Efa ho herintaona latsaka moa izay no niezahana nanisika ity volavolan-dalàna ity teo mba hodinihina eo anivon’ny andrim-panjakana, saingy tsy nety tanteraka. Nangingina kely, ary ezahina hasisika indray ankehitriny. Ny 13 mey 2022 lasa teo, ohatra, dia nisy mihitsy ny andian’olona notarihin-dry depiote Masy Goulamaly nitondra sora-baventy niantso ny hanekena an’io lalàna io teny amin’ny Antenimieram-pirenena. Ny làlan-tsaina nitondrana azy araka ny anarany, dia ny hoe : noho ny antony ara-pitsaboana rehefa mety haningotra ny ain’ny reniny, azo tamin’ny herisetra toy ny fanolanana,… Efa misy foana ny fanalan-jaza ara-pitsaboana, ary tsy tokony hilàna lalàna vao mainka hanome vahana izay fanalan-jaza, raha ny làlan-tsaina efa nentin’ny fiangonana tany aloha. Efa notsipahan’ny « Conférence des présidents » eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny herinandro teo ny fampidirana ity tolo-dalàna ity. Etsy andaniny, tsy mbola milavo lefona ireo hery manisika azy eto izay heverina fa tsy Malagasy ihany fa hery matanjaka avy any ivelany. Hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT