Finoana

Tsiroanomandidy Mampiantrano ny fihaonamben’ny SLK FJKM


  • Zoma 11 Septambra 2015

Tanterahina nanomboka omaly ny fihaonambe nasionalin’ny Sampana Lehilahy Kristianina (SLK) eo anivon’ny Fiangonana FJKM. Hetsika fanao isan-droa taona izy ity, ka andiany faha-9 izao tontosaina ao an-drenivohitr’i Bongolava izao izay tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady.

 

 Nahatonga solontena avokoa ireo synaodam-paritany FJKM miisa 37. Nitarika ny lanonam-panokafana omaly ny filoha nasionalin’ny FJKM sady filoha am-perinasan’ny FFKM, Rasendrahasina Lala Haja, mpitandrina. Nandalo nijery ny fanokafana ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina. Tamin’ny fandraisam-pitenenany no nilazany fa “vonona ny hiova” izy sy “hanetry tena”. Ny filohan’ny FJKM Rasendrahasina Lala Haja, kosa nampirisika ny firosoan’ny lehilahy lalindalina amin’ny fanompoana ny Tompo ho fitaratry ny fiarahamonina. Hitohy hatramin'ny alahady izao ity fihaonamben’ny SLK ao Tsiroanomandidy ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT