TRANO FIVAVAHANA VAHAO NY OLOKO

Nitondra am-bavaka ny


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2026

firenena sy ireo olona varira

Fotoan-dehibe ho an'ny trano fivavahana Vahao ny oloko afak'omaly Sabotsy 15 Aogositra. Niara-nivondrona sy nanandra-bavaka mahery vaika ho an'ny firenena sy ireo olona mañana toe-tena varira teny amin'ny Coliseum Antsonjombe mantsy izy ireo. Mpino an'arivony maro manerana an'i Madagasikara no tonga teny an-toerana namaly ny antso notarihin'ny Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny Fiangonana."Miala nenina farany Andriamanitra” no lohahevitra novohabohasana nandritra izany no sady nitondran'ny Pastera Heritiana hafatra sy fampianarana ho an'ny rehetra. Efa tena manakaiky ny fihafaran'izao tontolo izao hoy izy ary tsy isan'andro no hisy fitoriana ny filazantsara lehibe tahaka izao noho izany tokony ho araraotina. Tsy adinony nandritra izany ny nivavaka manokana ho an'ny Firenena mba hanapotehana ireo karazana asan-devoly toy ny halatra olona hatao sorona....Nohamafisin'ny Pastera Heritiana mantsy fa hatramin'ny nisian'ilay vavaka ho an'ny Firenena natao tetsy amin'ny Parvis Analakely dia nihena izany asa ratsin'ireo tsy mataho-tody sy mpanakorontana firenena izany. Mikasika ireo olona mañana toe-tena varira dia nambaran'ny Pastera fa olombelona tahaka antsika ihany izy ireny manan-danja sy mañana ny hasiny. Tsy mety hoy izy ny fihazana na famonoan'ny sasany azy ireny tahaka ny biby. Nisy moa ny fanampiana nomen'ny Fiangonana ho an'ireo olona mañana toe-tena varira. Tonga nanotrona ity fotoam-bavaka lehibe ity ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko. Nandritra izany no nanolorany vola mitentina 20 tapitrisa Ariary hoenti-manampy sy manohana ny fiangonana tamin'ny anaran'ny Fitondram-panjakana.
Pati


Légende : Ny Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT