Finoana

Tranga tsy fahita firy tao Sambava Nandoavan’ilay lehilahy teny amin’ny alitara


  • Talata 27 Desambra 2022

Ny tolakandron’ny krismasy 25 desambra teo no nisehoan’ity tranga tsy dia fahita firy ity tao Sambava raha ny fitantarana avy any an-toerana.

Nandoavan'ny lehilahy iray ny alitara masina an'ny trano Fiangonana iray tao Sambava omaly, nalainy ihany koa ireo lamba masina nataony ondana. Nandritra ny fanadiovana ny trano fiangonana nataon'ireo tanora no indro tamy ilay tovolahy tsy fantam-pihaviana namakivaky ka nitsofotra ary niakatra avy hatrany teny ambony alitara, ary nandoa sy nanao ireo fihetsika voalaza etsy ambony, raha ny fanazavana. Nilaza ho mamo moa ity farany ity, raha ny tatitra. Na dia mamo aza ve dia any am-piangonana mihitsy no manao ny tsy fanao izay endrika fametavetana tanteraka ny zava-masina sy ny finoana? Mbola tsy fantatray izay mety ho fanapahan-kevitry ny fiangonana manoloana ity fihetsika tsy fahita ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT