Finoana

TPFLM 138 taona nijoroana tamin’ny asa fampandrosoana


  • Alakamisy 26 Martsa 2015

Anisan’ny zokiny indrindra ny Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy. Ny taona 1877 no niorenany teto Madagasikara. Anarana voalohany nisalorany tamin’izany ny «Imprimerie de la Mission Norvégienne».

 

 Ny taona 1975 kosa no noraisin’ny Fiangonana Loterana Malagasy manontolo ny fitantanana ny «Imprimerie Luthérienne». Mampisongadina ny TPFLM tao anatin’ny 138 taona nijoroany ny asa printy, ny edisiona ary ny fampielezana ireo boky mifototra amin’ny seha-pampandrosoana samihafa. Manaraka ny fivoaran’ny toetr’andro ihany koa ny Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy ka efa manana ny kaonty «facebook» sy ny tranonkalany. Mampiavaka azy ny fandovana sy fampitana mandraka ankehitriny ireo traikefa efa nampiasain’ireo zoky ray aman-dreny hatramin’ny andron’ingahy Guttenberg tamin’ny taonjato faha-XVI. Tratra ny tanjona fampiharana ny teny fanevan’ny orinasa «Kristy no torinay amin’ny asa Printy». Tranga iray manahirana iombonany amin’ireo orinasam-pamokarana kosa ny fisian’ny hosoka, hoy ireo tompon’andraikitra. Manonta sy mamoaka boky maherin’ny 400 lohateny moa ny TPFLM ankehitriny.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT