Finoana

Toromarika avy amin’ny pastera Mailhol Nanatrika ny fotoam-bavaky ny Kardinaly ny Apokalispy


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

Lamesa lehibe ny tao Toamasina omaly alahady 15 jona, notarihin’ny kardinaly vaovao Désiré Tsarahazana.

 Fotoan-dehibe ho an’ny mpino katolika sy vahoakan’i Toamasina manontolo ny fotoana omaly, ka nanao ranolava ny rehetra niatrika io lanonana ara-pivavahana goavana io. Tsy ny avy amin’ny mpino katolika ihany fa tsy namela ity fotoana ity handalo fotsiny koa ireo mpino Apokalipsy avy amin’ny tanàna samihafa tao Toamasina sy ny manodidina. Ny fiangonana sy ny foto-kevitra no mety hisy fahasamihafana, saingy ilaina ny fiombonana. « Raiamandrenin’ny Malagasy rehetra ny Kardinaly, hoy ireo mpino apokalipsy”, ka delegasiona mafonja no tonga manokana tamin’io fotoana io ho fanehoam-piraisankina amin’ny maha samy kristianina, araka ny toromarika avy amin’ny pasitera Mailhol izay mpitarika ny fiangonana Apokalipsy eto  Madagasikara. Nirary soa ny hahatontosan’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana ny andraikitra goavana nankinina aminy ny Apokalipsy. Ny 10 jolay teo, dia tsiahivina fa efa  tonga nanotrona tamin’ny fitsenana ity Kardinaly ity teny Ivato mpino Apokalipsy eto Anananarivo sy ny manodidina, fotoana niverenany teto Madagasikara, rehefa avy nasondrotry ny Papa François ho eo amin’io laharana ambony io tany Vatican, ny 29 jona 2018 teo.Nanatrika ny fotoana tany an-toerana ihany koa ny filoham-pirenena sy ny vady aman-janany notronin’ny delegasiona mafonja avy amin’ny fitondram-panjakana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT