Tonia SAMPATI foibe FJKM

«Ny fanabeazana no miantoka ny hoavin’ny firenena!»


  • Alarobia 06 Aogositra 2025

Fahefàna fara-tampony ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM

ny Synoda lehibe, hoy ny tonian’ny Sampana mpanazava sy tily na SAMPATI Foibe FJKM, Séraphin Randriamanantena, mpitandrina. Izy no manapaka ny fiainan’ny fiaingonana amin’ny lafin-javatra rehetra nefa koa mametraka ny ho tomponandraikitra indray ho amin’ny 4 taona manaraka. Ny 13 hatramin’ny 20 aogositra izao no ho tanterahina io synoda lehibe faha 20 io hatramin’izay nijoroan’ny FJKM nanomboka ny taona 1968 izay. Manana ny antsoina hoe vina 100 taona ny FJKM na mba ho firenena Kristianina hatrany i Madagasikara na mbola amin’ny taona 2118. Fahendren’ny fiangonana ny tsy fisiana propagandy azo atao. Tsy fantatra mialoha ny hoe iza no hanao inona? Ny mpiandraikitra foibe voafidy eo ihany no mifidy ny birao foibe sy filohan’ny FJKM. Olona miisa 100 no mifidy ny birao foibe sy filohan’ny FJKM. Tsy ianao no mitondra ny politika itondràna ny fiangonana. Ny fanapahan-kevitry ny synoda lehibe no mamaritra ny asan’ny fiangonana. Izay no atao hoe politikan’ny fiangonana. 5 andro eo mandinika sy manapaka an’izay fotsiny ny synoda fa any amin’ny 2 andro faran’ilay synoda lehibe vao misy fifidianana. Ho an’ny sampana kosa dia any amin’ny zaikabe indray no ifidianana tomponandraikitra ho azy. Mialohan’ny synoda lehibe io ary samy manana ny anaovany azy ny sampana tsirairay avy. Ny an’ny SAMPATI efa vita tany Morondava ny septambra 2024 iny. Izay no mbola naha voafidy anay ho tonia vaovao indray sy birao foibe vaovao. Hisy solontenan’ny birao foibe SAMPATI hihatrika ny synoda lehibe izany fa misy voafaritra ao hoe ireto azo fidiana, ireto tsy azo. Rehefa vita ny synoda lehibe dia alefa any amin’ny synodam-paritany sy ny sampana rehetra ny fanapahan-kevitra. Mandray ny tandrifiny ny sampana rehetra. Ny synoda lehibe tany Sambava ny taona 2021 izao namaritra fa hanao ny antsoina hoe «Hazakazaka masina» sy «Fampamokarana» isika, ohatra. Misy ilay hoe 2F2T ao anaty hazakazaka masina na «Fiainam-pianakaviana, fahamarinana, tanindrazana, tontolo iainana». Raisin’ny SAMPATI izany izay dia mampianatra izany ato ny SAMPATI. Mbola mametraka ho zava-dehibe ny fanabeazana izahay ao anatin’izany rehetra izany satria heverinay fa ny fanabeazana no miantoka ny hoavin’ny firenena, hoy hatrany ny tonian’ny SAMPATI foibe FJKM!
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT