Napetraka nandritra ny lanonana ny zoma teo tamin’ny fametrahana ny filohan’ny oniversite Toamasina sy ny sojabe mirahalahy amin’ny sampam-pianarana roa misy ao Barikadimy, ny vato fehizoron’ny trano fatorian’ny mpianatra any an-toerana.
Ny Seimad no hanao ny asa mandritra ny folo volana, trano izay manana rihana telo ary misy lavarangana sy lalantsara ary hanana efitra an-jatony.
Miankina amin’ny fahazoana ireo vy be fananan’ny fiangonana Fjkm anefa no hahavita ity tranon’ny mpianatra fanambin’ny minisitra Tongavelo Athanase sy ny filohan’ny oniversite Horace Gatien amin’ity telo taona faharoa hitondrany ny ao Barikadimy ity. Maika ny hahavitana ny asa izy mirahalahy ireo. Ny Fjkm kosa anefa tsy manaiky fa hiaro hatramin’ny farany ny fananany. Raha nanontaniana mikasika azy ity i Tongavelo Athanase dia nilaza fa “trano fonenan’ny mpianatra no zava-dehibe izao. Fiangonana iza no sahy hijoro hanohitra ny fanorenana trano ho an’ny mpianatra izany? Volan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony madiodio no nividianana ireo vy be ireo ary manana antotan-taratasy mazava mikasika izany ny minisitera. Efa nisy ny fifandaminana hatramin’ny volana oktobra nandefasana ny taratasy mikasika izany tany amin’ny foibe Fjkm, ny volana febroary anefa vao nisy ny fahatongavan’ny antontan-taratasin’ny foibe Fjkm tao aminay milaza ny fifanarahana teo aminy sy ny fitondrana teo aloha. Eto koa anefa dia tsy mbola nanaraka ny fomba fitantanana ara-panjakana ny natao satria tsy nandalo filankevitry ny minisitra na farafaharatsiny filankevitry ny governemanta ny nanaovana ny fifanarahana fa olon-tokana no nanapaka. Natao hitory ny marina ny fiangonana fa tsy natao hamafy lainga”.
Ny namaranan’i Tongavelo Athanase ny valin-teny, hany tokana nekeny natao tamin’ny mpanao gazety, dia ny hoe “aoka hieritreritra ny tompon’andraikitra amin’izany”. Tetsy an-kilan’izay dia niezaka nanontany ny hevitry ny Fjkm sy ny mpino miaro ny fananany koa ny mpanao gazety. Mazava ny azy ireo fa “masi-mandidy amin’ny fananany ny fiangonana Fjkm. Zanaka Malagasy koa no beazina sy tezaina ho olom-banona amin’ny fahavitan’io trano be vita amin’ireo vy be anay ireo fa tsy vahiny akory. Tsy hanaiky hatramin’ny farany izahay na iza ho tonga haka ireo fananany ireo. Izay raha teo no mahatonga anay mpino sy laika ary sakaizan’ny fiangonana Fjkm Toamasina mifandamina na andro na alina miambina ny fanananay. Fiangonana sahy mijoro amin’ny marina ny fiangonana Fjkm ary tsy manaiky ny hanitsakitsahana izany na ho inona ho vokany na ho inona”. Ho an’ny Fjkm sy ny mpino ary laika sy ny sakaizan’ny fiangonana dia tsotra ny fehin-teniny : “atsaharo ny fanenjehana ny fiangonana Fjkm fa tsy hahasoa anareo ny fanaovana izany”.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.