Finoana

Toerana handraisana ny Papa François Hovitaina mialoha ny 22 aogositra ny asa rehetra


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Nitsidika teny Soamandrakizay Androhibe nijery ifotony ny fivoaran’ny asa amin’ny fiomanana ny fandraisana ny Papa François ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Kardinaly Désiré Tsarahazana ary ny Nonce Apostolique,

 

 

Mgr Paollo Rocco Gualteri omaly maraina. Ny 6-10 septambra 2019 no ho avy eto ny Papa ka toerana malalaka eo amin’ny 70Ha eo io hajariana handraisana ny lamesa lehibe hotarihiny io. Vita ny 95%-n’ny asa fanarenana ny kianja ary hiroso amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasa amin’izay. Ezahina hovitaina ny 22 aogositra ho avy izao farafahatarany ny asa rehetra: toerana handraisana ireo mpino sy vahoaka hanatrika ny lamesa lehibe, fanajariana ny toerana mba tsy hamovoka be, fanamboarana ny lalana hidiran’ny Papa sy hivoahany, lalana hahafahany miarahaba ny mpivavaka, ary indrindra ny hotely lehibe hanaovana ny sorona masina izay efa mandeha amin’ny ampahany,…  Maherin’ny 140 ny toeram-pivoahana hapetraka ankoatra ny toeram-pidiovana. Hisy ny jiro “projecteurs” lehibe maherin’ny 150 hapetraka, ary toerana fisintonan-drano avy any ambanin’ny tany 4 lehibe. Mpino sy vahoaka hatrany amin’ny 800 000 no vinavinaina ho avy hanatrika io fotoan-dehibe io. Hipetrapetraka ny pitsopitsony rehetra, toy ny fitandroana ny filaminana, ny famonjena aina raha misy ny toe-javatra tsy ampoizina, ary hisy ihany koa ny toerana hatokana ho an’ny mpanao gazety. Tsara ny fandraisana ny fandraisana azy any amin’ny firenen-kafa fa hampiseho ihany koa isika Malagasy hoe mahay mandray indrindra izany Papa François izany, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT