Finoana

Toeram-panofanana mpitandrina eny IVATO Hotokanana amin’ity taona ity, hoy Ravalomanana


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Tsy maintsy vita ary hotokanana amin’ity taona 2018 ity ireo tsangambaton’ny faha-50 taonan’ny Fjkm, hoy Atoa Marc Ravalomanana omaly nandritra ny fandraisam-pitenenany teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

 

 Ny fanorenana ny toeram-panofanana ireo mpitandrina eny Ivato no tena asa goavana satria tahaka ny tanàna kely iray mihitsy izy io : misy trano fianarana, trano fonenana, trano hahafahana mivory na manao fety sy fiangonana iray lehibe. Hotokanantsika amin’ity taona ity ny eny Ivato, tahaka izany koa ny sekoly any Toamasina, izay sekoly voalohany naorin’ireo misioneran’ny LMS tamin’izy ireo tonga teto Madagasikara moa, ary tsy maintsy namboarina tanteraka satria efa tena simban’ny taona nifandimby sy ny rivodoza sady tsy ampy fikojakojana ihany koa. Amin’ny 12 ka hatramin’ny 18 aogositra ny ivon’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fjkm sy ny faha-200 taona nidiran’ny filazantsara hotanterahana any Toamasina, ary amin’ny volana oktobra kosa eto Antananarivo no hamaranana ny fotoan-jobily ka mandritra izany no hitokanana ny Kolejy Teolojika amin’ny endriny vaovao sy moderna eny Ivato. Manana finoana isika, hoy i Marc Ravalomanana. Nanome toky izy fa na ariary aza tsy misy mipika ny vola voaangona fa hanatanterahana ny asa fanorenana ary tsy maintsy vita izany ho voniahitr’Andriamanitra sy hahafahan’ny Fjkm manatanteraka ny asa fitoriana. Mpitandrina an-jatony isan-taona no hivoaka eny Ivato rehefa vita io fotodrafitrasa io mba handrakotra ireo fitandremana maherin’ny 6500 eto Madagasikara.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT