Finoana

Toby FLM Farihimena Nahazo 4 tapitrisa ariary avy amin’ny filoham-pirenena


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Fotoam-pivavahana lehibe ny namaranana ny isan-taona faha-72 ho an’ny toby Loterana Farihimena any akaikin’i Betafo, izay nanomboka tamin’ny herin’ny anio ary nifarana omaly 26 aogositra.

 

Tsara ny manamarika fa niorina nanomboka ny taona 1946 ity toby ity, ka lohavehitra noraisina tamin’ity isan-taona fah-72 ity, dia ny hoe: “Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena”, Mpitoriteny 2-26. Toy ny isan-taona dia nisy hatrany ny fanokanana mpiandry, ka 121 izany tamin’ity. Isan’ny nanotrona ny famaranana omaly ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Nankasitra an'ity farany ireo solon-tenan'ny toby Farihimena noho ny fanatanterahana ireo fangatahan'izy ireo fotodrafitrasa toy ny fanamboarana ny lalana sy ny fampidirana rano fisotro madio eny an-toerana. Mikasika io rano fisotro io, dia voalaza fa nisy nangalatra ny “motopompe” sy ny “groupe électrogèn, izay nambaran’i Hery Rajaonarimampianina fa isan’ny tsy mampandroso ny firenena izany toe-tsaina izany. Ho fanampiana ny toby Farihimena dia nanolotra valopy mitentina 4 tapitrisa ariary ihany koa ny filoham-pirenena. Mihetsiketsika mihitsy izy tato ho ato izay. Porofo iray fa efa tena akaiky ny fifidianana sa ahoana?

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT