Finoana

Toby Fiadanana–Mandoto Ny fifamelana no baikon’Andriamanitra


  • Alakamisy 08 Martsa 2012

Tsy misy afa-tsy ny fifamelana no antoka lehibe indrindra hivoahan’ny firenena amin’izao fahasahiranana mitranga izao.

 Izany no votoatin’ny fotoam-pivavahana manokana natao tany amin’ny Toby Fiadanana any amin’ny Distrikan’i Mandoto, ny sabotsy sy alahady lasa teo. Tomponandraiki-panjakana miaramila sy sivily, minisitra tamin’ny governemanta teo aloha sy ankehitriny, mpikambana amin’ny Parlemantan’ny tetezamita ary zanaka ampielezana avy amin’ny faritra samihafa eto amin’ny firenena no tonga nanatrika sy nisantatra izany fotoana izany. Fotoana izay nifamelana heloka no natao ny sabotsy ary fifanasan-tongotra sy firaisana teo amin’ny latabatry ny Tompo kosa no natao ny Alahady.

Nanterin’i Dada Rasolofo, Raiamandrenin’ny Toby any an-toerana, araka ny hafatry ny Tompo, fa mila mifamela ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka, raha tsy izany dia ny ozona no hanapaka eto amin’ity firenena ity. Nasiany teny ihany koa fa tsy ny mpitondra ankehitriny na ny mpitondra teo aloha no manan-tsiny fa ny vahoaka malagasy manontolo. Mibahana eto Madagasikara ny aizina, tandindonin-doza ny firenena fa efa manjaka eto avokoa ny faharatsiana rehetra : vono olona, fialonana, halatra, adilahy politika… Kanefa raha tontosa ny fifamelan-keloka ifanaovan’ny rehetra dia fitahiana no hanapaka eto amin’ity firenena ity. Koa ho tahaka ny fitondran’Andriamanitra ny Zanak’Israely no hitondran’Andriamanitra ny vahoaka malagasy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT