Finoana

Tiana Randrianasolo Arimino “Mila ahetsika hampandroso firenena ny Fiangonana”


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Nisokatra omaly tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny fanangonana ny atao hoe Harambaton-kevitra noho ny faha 62 taonan’ny repoblika Malagasy, izay haharitra 10 herinandro, ary hanorenana ny faha 100 taonan’ny firenena malagasy.

 

 

Tiana efa napetraka tamin’ny 62 taona lasa raha teraka ny repoblika Malagasy dia mba ho repoblika miankina amin’Andriamanitra, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny Hetsika fampiraisana Kristianina ho an’ny firenena, Tiana Randrianasolo Arimino.Ny olona no harena voalohany rehefa miresaka fampandrosoana ny ekonomia isika. Rehefa miresaka ara-panahy kosa ka voaova ny ao anaty dia betsaka ny zavatra miova ary mitarika fampandrosoana haingana ny firenena. Meteza amin’ny fanavaozana ny saina hoe manala ho azy ny atao hoe fitiavan-tena ny dikan’ny hoe fitiavana. Raha miteny isika hoe “Ny fitiavana no lehibe indrindra.”, inona no handikantsika izay eo amin’ny fiainantsika hatreto? Inona no tokony atao? Ahoana no tsy hahatsapantsika ny harena omen’ny Tompo antsika dia satria mila asongadina hoe harena be ny soatoavina hananan’ny Kristianina. Na ny Bianco aza raha zaraina 10 ny tetibolany hiadian’ny fiangonana tsirairay amin’ny kolikoly dia hisy vokany. Raha ny atsasa-manilan’ny Kristianina fotsiny no miady amin’ny doro tanety dia tadidio fa ny fiangonana miparitaka lavitra noho ny fokontany. Raha tiana ny hampandroso ny firenena dia mila ahetsika ny fiangonana, hoy hatrany ny HFKF izay tompon’antoka amin’izao hetsika izao.

J. Mirija

Legende: Tiana Randrianasolo Arimino

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT