Finoana

Tetikasa Mahay Sekoly FJKM miisa 32 no nahazo fampitaovana


  • Talata 09 Aogositra 2022

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Mahay izay iantsorohan’ny Sekoly FJKM izy ity ary tohanan’ny CBM Global, izay sehatra iraisampirenena misahana ny fampiroboroboana ny atao hoe “fanabeazana mampiaty”.

Nisy, noho izany, omaly tetsy amin’ny Foiben’ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM etsy Analakely ny fanomezana fampitaovana ho ana sekoly FJKM miisa 32 eto Madagasikara tamin’ny fomba ofisialy. Amin’ny alalan’ny fanomezana fampitaovana sy ny fampiofanana ireo mpampianatra no heverina hahamora kokoa ny fandraisan’izy ireo an-tanana ireo mpianatra manana fahasembanana tafiditra anatin’izao tetikasa izao, hoy ny talen’ny fanabeazana mampiaty eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, Mamba Serge Dieudonné. Ny tena faniriana dia ny fitomboan’ny toy izao hisitrahan’ireo mpianatra manana fahasembanana hisitraka ny zo mitovy amin’ireo mpianatra hafa, hoy izy. Maro karazana ireo fitaovana natolotra, toy ny ara-pedagojika, tahaka ny boky, fitaovana ho kirakirain’ireo mpampianatra, ny taratasy, kahie, ireo fitaovana ampiasaina an-tsekoly toy ny seza, latabatra, armoara, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT