Tena mbola anisan’ireo mponina mitana sy mankato fomban-drazana tokoa iny faritra Moriandro manontolo iny ankehitriny.
Nahavory lanona ny vahoaka manodidina an’i Mahitsy tokoa mantsy ny famonosan-damba an’ireo raiamandreny terak’Andriamfehivola sy Andriamifehinilanitra natao teny amin’ny fokontanin’Ankazo eny Avaratr’Anosivola teny Mahitsy teny, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ka namonosan’ny fianakaviana Maminiaina Johnny Rakotondranaly 11 mianadahy ny taolambalon’ireo raiamandrenin’izy ireo toa an-dRainisoamavo sy razana 5 niaraka taminy koa izay namela lova maro ho an’ireo taranany ka mendrika ny hanatanterahana famonosa-damba izay midika ho fandrindram-pihavanana ho an’ny fianakaviana nahatratra 120 mieli-patrana manerana ny lafivalon’ny nosy izay efa misy an-taonany maro no tsy nifankahita. 3 andro ngarandina naharetan’ny lanonana natao nianga tamin’ny famohazan-drazana, fanaovana ny tsimandrimandry niaraka tamin’ny angorodao, famonoana omby niisa 7, ny famonosan-damba razana, famahanana olona nasaina nahatratra 3000 olona tany ho any ary nofaranana tamin’ny ady mozika teo an-tanàna tamin’ny farany. Nifandrimbonana avokoa ny raharaha rehetra natao tamin’ity fomban-drazana natao ity, hoy Atoa Maminiaina Jhonny, fa samy naka ny tandrify nanavanana azy tsirairay izahay 11 mianadahy ary tsy noterena hizaka izay tsy zakany ny iray tampo izay marefo ara-pivelomana ary izay namoaka ny hevitra voalohany kosa no tena nandray anjara betsaka indrindra.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.