Finoana

Terak’i Moriandro eny Ankazo Mahitsy Nahavory lanona vahoaka ny fanatanterahana fomban-drazana


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Tena mbola anisan’ireo mponina mitana sy mankato fomban-drazana tokoa iny faritra Moriandro manontolo iny ankehitriny.

 

 

 Nahavory lanona ny vahoaka manodidina an’i Mahitsy tokoa mantsy ny famonosan-damba an’ireo raiamandreny terak’Andriamfehivola sy Andriamifehinilanitra natao teny amin’ny fokontanin’Ankazo eny Avaratr’Anosivola teny Mahitsy teny, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ka namonosan’ny fianakaviana Maminiaina Johnny Rakotondranaly 11 mianadahy ny taolambalon’ireo raiamandrenin’izy ireo toa an-dRainisoamavo sy razana 5 niaraka taminy koa izay namela lova maro ho an’ireo taranany ka mendrika ny hanatanterahana famonosa-damba izay midika ho fandrindram-pihavanana ho an’ny fianakaviana nahatratra 120 mieli-patrana manerana ny lafivalon’ny nosy izay efa misy an-taonany maro no tsy nifankahita. 3 andro ngarandina naharetan’ny lanonana natao nianga tamin’ny famohazan-drazana, fanaovana ny tsimandrimandry niaraka tamin’ny angorodao, famonoana omby niisa 7, ny famonosan-damba razana, famahanana olona nasaina nahatratra 3000 olona tany ho any ary nofaranana tamin’ny ady mozika teo an-tanàna tamin’ny farany. Nifandrimbonana avokoa ny raharaha rehetra natao tamin’ity fomban-drazana natao ity, hoy Atoa Maminiaina Jhonny, fa samy naka ny tandrify nanavanana azy tsirairay izahay 11 mianadahy ary tsy noterena hizaka izay tsy zakany ny iray tampo izay marefo ara-pivelomana ary izay namoaka ny hevitra voalohany kosa no tena nandray anjara betsaka indrindra.

 

Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT