Hatramin’ny faha Mpanjaka ka mandrak’ankehitriny, dia nisy karazany 10 ny fomba fitondrana teto Madagasikara.
Tsy nisy na iray aza tamin’ireo naharitra, araka ny fanazavana nentin-dRaharimala Andriampenotiana, mpitsara eo anivon’ny fitsarana ambony ao Fianarantsoa sady mpitarika ny Groupement pour l’Edification de la Théocratie à Madagascar na ny GETM. Tsy mitovy amin’ny firenena hafa maneran-tany ny firenena malagasy, araka ny fanazavany ihany satria taranaka voafidin’Andriamanitra, izany hoe taranaka hebreo ny Malagasy. Noho izany dia manana ny rafi-pitondrana ho azy manokana. Ho an’ny GETM àry dia ny «Fanjakana teokratika» no mety ho an’i Madagasikara. Midika hoe fitondran’Andriamanitra ny hoe Teokrasia, raha ny fanazavana ihany. Mifanohitra tanteraka amin’ny demokrasia ny teokrasia. «Fitaka farany ataon’i Satana any am-parany any ny demokrasia», hoy ihany ity mpitsara ity ary dia nohamafisin’i Andriatiana Rivolala, mpitondra fivavahana jodaika izany. Ho azy ireo àry dia hevitra avy amin’i Satana ny demokrasia, ka tsy mahagaga raha korontana sy fampisaraham-bazana, toy izay misy eto amintsika hatramin’izay ka hatramin’izao fotoana izao. Amin’ny teokrasia kosa dia Andriamanitra no mitondra. Io ihany no lalana hahatafavoaka an’i Madagasikara, ho an’ny GETM. Ny tanjona dia ny hamerina an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy amin’ny fototra, amin’ny kolontsainy sy ny kolom-panahiny, na amin’ny rafitra politika, na ara-pivavahana.
Ho an’ny GETM àry, dia Fanjakana Teokratikan’i Madagasikara no hiantsoana ny fanjakana malagasy. Ny faritry ny firenena dia mizara ara-pitondrana ho faritany, fivondronan-tany, firaisan-tany ary fokontany. 12 no isan’ireo faritany izay mifampipaka ary mitatra mankany amin’ny morontsiraka atsinanana sy andrefana. Momba ny fandaminana ny fanjakana, dia ny Tempoly, ny Vondrom-pivavahana ara-panjakana ary ny filoham-panjakana no handrafitra ny andrim-panjakana, araka ny tolo-kevitry ny GETM ihany. Tsy misaraka ny fahefan’ny filoham-pirenena izay hotendren’ireo mpitondra fivavahana avy amin’ireo fiangonana 7 efa nijoro ela indrindra teto amintsika amin’ny alalana fifaninanana. Momba ny governemanta indray dia ny filoham-panjakana no lehiben’ny governemanta. 12 ireo minisi-panjakana. Hangatahin-dRaharimala ho any amin’ny 10 oktobra 2010 no hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana fa tsy amin’ny 12 aogositra, araka izay nambaran’ny CENI, ka ny fanontaniana apetraka amin’izany dia ny hoe “ekenao ve, amin’ny alalan’ity lalàmpanorenana ity, raha Ilay Mpahary izao tontolo izao no hitondra ny firenena”. Araka ny fanazavana moa dia mbola hampahafantarina ny rehetra ity volavolan-dalàmpanorenana teokratika ity izay ahitana andininy 168.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.