Finoana

Teny Malagasy Betsaka ireo ankizy mpianatra no tsy mahafehy azy intsony


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Tsy mahay sy tsy mahafehy ny teny Malagasy intsony ny ankamaroan’ireo mpianatra ankehitriny, noho ny firoborobon’ny teknôlôjia, araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny sekoly maromaro eto an-drenivohitra.

 

Tsy vitsy ireo manafangaro ny teny malagasy sy ny teny frantsay, indrindra hatramin’ny nampahazo vahana ny Facebook. Toraka izany koa ny fomba fiteny izay mahazo ny 50%-n’ny ankizy mpianatra mihitsy ka ilana fanitsiana haingana. Betsaka ireo sekoly no miezaka manatsara ny fampianarana teny Malagasy ao aminy izay tena efa  mihavery tokoa raha efa  manana paikady hahafahana miady amin’izany ihany koa ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny « Plan Sectoriel de l’éducation » na ny PSE izany, hoy ny minisitra Paul Rabary, antony hampitambarana ho iray ny sekoly ambaratonga fototra sy ny sekoly ambaratonga faharoa. Ho an’ny telo taona voalohany dia nambarany fa ny teny Malagasy tsy misy fangarony no teny hoenti-mampianatra. Voakasik’izany ny famakian-teny, ny fanoratana, ny fanaovana kajy… Ao amin’ny telo taona faharoa indray dia hampidirina ho teny ampianarina ny teny frantsay, raha ny teny frantsay iray manontolo no hoenti-mampianatra ao amin’ny taona fahatelo farany, izany hoe manomboka ao amin’ny taona fahafito sy fahavalo ary ny fahasivy. Nomarihina nanomboka ny 19 febroary lasa teo ny andro maneran-tany ho an’ny tenin-dreny. Nisy moa omaly ny ora iray natokana tsy hitenenana afa-tsy teny Malagasy ranoray niampy ilay hetsika fifaninanana soratononina nokarakarain’ny ORTM  omaly hariva tamin’ny 06 ora sy sasany.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT