Finoana

Tekinolojia sy fitoriana filazantsara Hankalaza ny faha 10 taonany ny DIAF Marindrano


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Mankalaza ny faha 10 taonany ny fikambanana DIAF Marindrano ny 16 sy 17 septambra izao, hoy ny fampitam-baovao.

Sampan-draharaha misahana ny tontolon’ny serasera eo anivon’ny fikambanan’ny mpiara-mamaky baiboly na FMMB moa izy ity, hoy ny fanazavana voaray. Hisy ny fampirantiana momba ity sampan-draharaha ity sy ny asany ary ireo vokatra efa vitany, noho izany, amin’ireo fotoana ireo, ankoatran’ny fiaraha-mifaly sy midera ilay mpahary. Hisy koa ny famelabelaran-kevitra sy resadresaka izay mahakasika ny fiainan'ny tanora na tanora mpanabe io na ray amandreny na mpitory filazantsara sy liana amin'ny teknolojia sy ny fitoriana filazantsara ary ny maro hafa dia asaina ho tonga amin’ity fanamarihana ity avokoa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT