Finoana

Tarika “The singers of Jesus” Feno 23 taona


  • Zoma 15 Desambra 2023

Ny Tarika “The singers of Jesus”, izay mivoy ny Gospel na Vaovao mahafaly dia

niforona ny taona 2000 tao amin’ny lisea iray teto Antananarivo, hoy ny fampitam-baovaon’ity antokom-pihira ity omaly. Feno 23 taona izany izao ny tarika ary efa manana ny lazany eo amin’ny sehatry ny Gospel eto Madagasikara. Mpikambana eo amin’ny 40 isa eo, izany hoe mpitendry sy mpihira, no mitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo anivon’ny tarika, araka ny tenin’Andriamanitra hijoroany ao amin’ny Baiboly dia ny Filipiana 1:18b manao hoe “...Amin'ny atao rehetra,...Kristy no toriana,...”. Efa maro ireo seho goavana nandraisany anjara. Isany ny Madajazzcar, ny fampisehoan’’i Maggie Blanchard taty Madagasikara. Tao koa ireo hetsika nokarakarain’ny tarika toy ny “Songs and Gifts 1” (2014), “Songs and Gifts 2” (2015). Ny farany natao dia ny Tafika masina tany Miandrivazo sy Morondava niarahana tamin’ny hetsika Mandresy Madagasikara. Isan’ireo hira tena tsy afaka am-bavan’ny mpankafy ry “Malalany”, “Hainy Atao”, “Tsara Ianao”, “Mandondona”. Misy ny hetsika ataon’ny tarika ny zoma 22 desambra 2023 izao ao amin’ny CC ESCA Antanimena, amin’ny 6ora sy sasany hariva. Seho an-tsehatra mitondra ny lohateny hoe “Mandondona”. Fotoana manokana iarahana indray midera an’Andriamanitra. Fotoana ihany koa hivoahan’ny Rakikira faharoan’ny tarika. “Mandonona” ihany koa no anaran’ny rakikira. Ny hira anaty rakikira no ho atao amin’io andro io fa hisy koa ireo hira vahiny na “interprétation” izay efa nahafantarana ny tarika hatramin’izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT