TARIKA TDL

Hanao seho lehibe ao amin’ny FJKM Malaza Gileada


  • Zoma 30 Mey 2025

Ho eny amin'ny Fjkm Gileada Malaza, kaominina Andoharanotsy ny tarika TDL ny datin'ny

15 Jona ho avy izao, fotoana hankalazana ny Fetin'ny Ray. Fampisehoana ara-pilazantsara no hotanterahiny amin'izany hahenoana ireo karazan-kira nahafantarana ny TDL hatramin'izay. Sady hahazo aim-panahy no ho feno fifaliana ny mpankafy noho izany. Hitondra hafatra mafonja ihany koa mantsy ny tarika fa tokony homanina dieny izao ny fiainana mandrakizay. Manaova ihany koa ny mety sy ny tsara ety an-tany hoy rahavavy Fanja, fa fandalovana ny eto an-tany. Nanafatra ihany koa ny amin'ny tokony hifankatiava lalandava izy raha azo atao. Hanomboka amin'ny 3 ora folakandro ny fampisehoana. Azo jifaina ao amin'ny www.ketrika.com sy PHO RESTO Ampasamadinika ny tapakila.
Pati
Légende : Rahavavy Fanja, diso nahafantarana loatra ny Tarika TDL!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT