Finoana

Taratasin’ny Prefen’Antananarivo Nitory ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana


  • Zoma 12 Martsa 2010

Nampakarin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) eny anivon’ny Filankevi-panjakana ny valin-kafatry ny prefen’Antananarivo momba ny tsy fahazoan’ny HMF hanao fotoam-bavaka eny an-kalamanjana manomboka izao.

Taratasy roa no napetrak’ireo raiamandreny ara-panahy teny amin’ny fitsarana dia ny fangatahana fampiatoana sy fanafoanana izany vontoatin-kevitry ny prefet izany. Raha vao mipetraka eny anivon’ny Filankevi-panjakana moa ny taratasy dia avy hatrany dia mihantona aloha ny fampiharana ilay fanapahan-kevitra. Vokany dia namerina nangataka ny kianjan’Ambohijatovo tamin’ny kaominina ny HMF. Nambaran’ny tanànan’Antananarivo anefa, fa efa nisy namandrika ity kianja ity ny sabotsy izao. Antsonjombe no tolo-kevitry ny kaominina ary dia nahazo ny fahazoan-dalana moa ireo raiamandreny ara-panahy.

Araka ny fanazavana ihany dia efa mandeha ny resaka fa raha mbola hiziriziry hiditra ao Ambohijatovo ny HMF dia efa misy vondron’olona misy manarama handroba sy hamotika ka dia ny HMF no hifatraran’ny rihitra. Tsy natao hitarika korontana sy sakoroka koa ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Betsaka rahateo koa ireo zokiolona sy efa nahazoazo taona. Araka izany, na dia teo aza ny alahelo, ny hafanam-po sy ny fahatafitohinan’ireo mpitondra fivavahana dia tamim-pahendrena no naneken’izy ireo ny hanaovana ny fotoam-bavaka eny Antsonjombe. Etsy an-danin’izany dia azo ambara fa fahombiazana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana omaly. Namaly ny antso, nanao akanjo fotsy ireo mitaky ny Fahamarinana. Hipok’olona ihany koa ny FJKM Ambatomena nandritra ny fanompoam-pivavahana vao maraina omaly ihany. Na izany aza dia mahatsapa ny HMF fa tsy mbola ampy ny fanentanana, efa tsy mahay mihaino olona intsony koa ny Malagasy ary sarotra ny resaka fanabeazana. Izany rehetra izany dia noho ny krizy avokoa.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT