Finoana

Taranak’Ambohitrabiby Fidiovana ny rivodoza sy rano be


  • Alarobia 15 Martsa 2017

Efa lamina voajanahary natao teto Madagasikara ny zava-misy ankehitriny, ka amin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza sy ny rano be araka ny fandaminan’ny Nahary no lasa ny loto rehetra eo amin'ny natiora eto Madagasikara.

 Isika Malagasy amin’ny maha voajanahary antsika dia tokony hanaraka izay lamina izay, araka ny hevitry ny filoha lefitry ny fikambanana avy amin'ny taranak'Ambohitrabiby Razafindrakoto Hasina Iombonana . Izay no mahatonga ny hoe aorian’ny fararano no hanaovana ny fandroana sy ny fidiovana izay zava-dehibe amin’ny taom-baovao Malagasy, hoy izy. Lasa izay ny rivodoza dia hiditra amin’ny fararano isika, ka eo no hankalazana ny vaninandro miavaka ho an’ny Malagasy satria efa lasa ny loto rehetra eto Madagasikara, ary afaka miatrika ny taom-baovao Malagasy am-pifaliana isika, hoy ny taranak’Ambohitrabiby. Marihina fa ny talata 28 martsa izao no hatao ny fankalazana. Mbola miteraka tsy fitovian-kevitra ho an’ny samy mpandala ny Malagasy ity resaka fankalazana ny taom-baovao ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT