Tapitra omaly ny 72 ora nomen’ireo mpino Silamo hamerenana ny laoniny
ny toe-draharaha ao Toamasina taorian’ilay tranga fandrodanàna Moske na toeram-pivavahan’izy ireo tany an-toerana sy ny fonenan’ireo mponina any an-toerana. Nanao fanambaràna tetsy amin’ny foiben’ny Fikambanana Silamo malagasy na FSM etsy 67ha indray ny biraon’ity fikambanana ity omaly fa melohin’izy ireo ny filazàna fa tsy nahazo alalana ny fananganana Moské tao an-toerana nefa an-tanan’ity fikambanana ity ny taratasy nahazoana izany alalana izany. Aza atao fitaovana famafazana lainga ny fahefam-panjakàna, hoy ny sekretera jeneralin’ny komitin’ireo olon-kendry eo anivon’ity finoana ity, Branco Nantenaina. Melohina koa, hoy izy, ny filazàna fa foana ny didy na bokin-tany amin’ny anaran’i Ramatoa Lucie izay nanome ny mpino izany tany izany. Mbola misy sertifika fanamarinana na «certificat juridique» navoaka aza tamin’ity taona 2025 ity. Mbola tsy nisy koa didim-pitsaràna nanafoana ilay didy navoakan’ny fitsaràna nanome alalana ny Silamo, ny vahoaka, ny Kristianina hanorina toeram-pivavahana eo amin’io toerana io. Nanome 72 ora ho fahendren’ny fitondràm-panjakàna ny finoana Silamo. Feno fandriampahalemana, fihavanana, fahalalàm-pomba, fahendrena izany finoana izany saingy tsy mandefitra kosa amin’ny tsindritsindry. Tsy misy ambadika politika izao. Tsy misy karamain’ny mpanao politika eto. Tsy atakalonay politika ny finoanay! Tsy fanoherana ara-politika izao fa fijoroana amin’ny lalan’Andriamanitra. Maty izahay eto! Velona izahay eto! Isaorana ny filoham-pirenena nandefa delegasionina nidina any Toamasina saingy mbola tsy raharahian’izany vazaha izany ireo. Vao mainka nampitomboana miisa 4 indray ny masinina miasa ao izao. Hidina any Toamasina ny birao nasionalin’ny Silamo. An-tananay ireto ny karnem-pokontanin’ireo vahoaka nesorina tamin’ny fonenany rehefa narodana izany fonenan’izy ireo izany. Fokontany no narodana fa tsy vakim-paritra na «Quartier». Aza fenoina lainga ny vahoaka malagasy! Tomponandraikitra 3 mianadahy no niray tsikombakomba tao Toamasina. Tsy fitondràna mpanjaka no eto Madagasikara fa repoblika demokratika malagasy mandàla ny lalàna. Misy zo anatin’ny lalàna dia ny atao hoe «droit de l’occupant» na zon’izay nanamaintimolaly toerana. Misy koa ny «droit de notification», izany hoe, mila ampahafantarina mialoha ianao mialohan’ny anesorana anao amin’ny toerana misy anao. Ny «droit de signification» mampiseho fa nisy didy nivoaka hahafahana mandrodana tokoa. Aiza daholo izany rehetra izany fa toa tsy misy voahaja? Didy mbola ifamaliana ao amin’ny fitsaràna no lazainareo fa efa nivoaka. Efa mahafantatra izao zava-misy izao ny Silamo rehetra eran’izao tontolo izao. Tsy mety ilay isika tsy mifanisy dikany! Tadidio fa vao niharan’ny kere ny faritra Androy, nandefa mailaka tamin’ny fanjakàna ao Arabia Saodita izahay, 24 ora dia tonga tany ny fanampiana 37 tapitrisa Dolara. Aminao ao daholo ny antotan-taratasy mitahiry izany. Tsy miheoboebo sy misehoseho izahay. Tondran-drano i Antsiranana sy Ambilobe, ny faritra avaratra. 3 andro teo taorian’ny Mailaka nalefanay tamin’ny fanjakàn’i Torkia no tonga ny fiaramanidina nitondra fanampiana tany amin’iny faritra iny. Tsy sanatria hifandrahona isika. Tsy izahay Silamo no nandrodana ny tranon’ny Henri Fraise. Izy no nandrodana ny Moskenay. Raha manana didy ara-dalàna izy maninona no mbola misaro-tava sy manakona ny laharan’ny fiara ampiasainy? Devoly ihany no sahy mandrodana tempolin’Andriamanitra! Tsy aty amin’ny finoana Silamo no mihetraketraka, hoy hatrany ireto mpino Silamo ireto!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.